Matsiatra Ambony – Dahalo 3 maty, 5 naratra, very ny omby miisa 40
Biby manana ny lanjany eo amin’ny kolontsaina sy ny fiainan’ny fiarahamonina Malagasy ny omby. Ho an’ny faritra sasany rehefa misy fahoriana, dia fanomezana haja ilay olona maty ny famonoana omby. Amin’ny fotoanan’ny famadihana dia tsy maintsy ny isan’ny omby hovonoina aloha no atao lohalaharana amin’ny fandaniana. Tsy misaraka amin’ny olombelona ny omby na maty na velona. Manampy betsaka ny Malagasy amin’ny asa fivelomana ny omby, raha tsy hilaza afa-tsy ny sehatr’asa fivelomana isika dia ny fambolena izany. Anisan’ny amaritana ny olona iray ho manan-karena ny isan’ny omby ao anaty vala. Mety ho antony iray mbola mampirongatra ny halatr’omby izany mandraka ankehitriny. Tamin’ny 25 desambra rehefa miran’andro iny na tamin’ny 6ora maraina no tonga nanafika tanàana iray ny dahalo 70 lahy mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika. Omby miisa 40 no lasan’izy ireo tamin’izany fanafihana izany. Tsy niandry ela fa nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny solontena avy amin’ny fokonolona sy ny zandary rehefa nazava tamin’ity farany ny zava-nitranga. Vokany, nisy ny fifandonana teo Analamanara-Manody ka dahalo 3 no maty, dimy naratra ary nentin’ireo namany nitsoaka. Nisy telo ihany koa naratra avy amin’ny fokonolona. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy tafaverina ireo omby rehetra ary mbola mitohy ny fanarahan-dia. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Fanjakana no misahana ny fanadihadiana mikasika ity fanafihana ity.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







