Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Soanierana/ivongo – Tovolahy 25 taona maty nisy namono

Raha hamono akoho dia mbola misy fierana sy dinika ataon’ny mpivady. Ankehitriny anefa mora noho ny mamono biby ny mandatsaka ain’olona. Rehefa misy lonilony, na fialonana, na tondro molotra fotsiny dia efa entin’ny sasany handatsahana aina izay. Tsy lazaina intsony ny fitsaram-bahoaka atao amin’ireo mpangalatra tratran’ny fokonolona na olona izay lazaina ho nanota fady toy ilay nitranga tany Mananjary. Lehilahy iray vao 25 taona monja àry no novonoin’ny olon-dratsy miisa 3 tany Antanambao-Ambodimanga, fokontany sy kaominina ambanivohitry Manompona, Distrika Soanierana-Ivongo, faritra Analanjirofo. Efa tamin’ny 17 desambra 2016, izy io no tsy hitan’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina aminy ka nanao filazana tany amin’ny mpitandro filaminana ireo akaiky azy. Ny vaovao azon’ny zandary tamin’ny 20 desambra teo no nahitana ny razana, tamin’ny fidinana teny an-toerana narahina fanadihadiana. Efa voasambotra izy telolahy ireo ary efa manao ny famotorana ny borigady ao Soanierana-Ivongo.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre