Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Vehivavy bevoka voadonan’ny môtô

Hatreto aloha dia fimamoana, sakafo ary dihy no amaritan’ny maro ny atao hoe fety na dia fahatsiarovana ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra aza no ankalazaina. Ny andron’ny 25 desambra 2016, tamin’ny mamaton’alina na tamin’ny 11ora alina dia vehivavy bevoka iray no voadonan’ny kodiaran-droa teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, fokontany Anganonanahary, kaominina ambaninohitry Bongatsara. Vokany, naratra noho ny dona mafy nahazo azy ilay renim-pianakaviana. Tonga teny an-toerana  nanao ny fizahana ny mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany teny amin’ny Hjra natao “échographie” izy. Fantatra tamin’izany fizahana izany fa tsy misy atahorana ny fahasalaman’ny reniny sy ny  ain’ny zaza ao an-kibony. Ny mpitandro filaminana ao Ambatofotsy no misahana ny famotorana ilay tovolahy nahavanon-doza. Mila mijery sy mitandrina tsara ny mpamily rehetra mba tsy hisian’ny loza tampoka satria fifaliana no tadiavina nivoahana ny trano nefa olana indray no mitranga rehefa tsy mitandrina.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre