Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fety feno tebiteby

Tsy misy mangirana mihitsy ny fanomanana ny fetin’ny faran’ny taona noho ny afitsoky ny orinasa Jirama. Mitebiteby ny vahoaka noho ny delestazy. Na ny handeha hanapaka volo aza dia mampitaintaina sao voahety ny antsasany dia tapaka ny jiro. Voakasik’io avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Fotoanan’ny asaramanitra izao nefa tsy afaka ny hisitraka izany am-pilaminana ny vahoaka malagasy noho ny fitavozavozan’ny Fanjakana amin’ny famahana ny olan’ny delestazy. Efa ho 3 taona latsaka kely izao no nitondran’io Fanjakana io nefa vao mainka miha « gravy » araka ny fomba fiteny ny fahatapahan-jiro lavareny. Ny filoha anefa nampanantena fa telo volana monja dia ho foana tanteraka ny delestazy eto Madagasikara. Niova kabary izy aty aoriana ary mety hiteny indray fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny asa fampandrosoana. Tsy niresaka intsony ny fanatsarana ny orinasa Jirama ihany koa fa lasa mitodika bebe kokoa any amin’ny fametrahana ny angovo azo havaozina. Izany hoe lasa nijery vahaolana lavitra any amin’ny taona maromaro ho avy ny Fanjakana ankehitriny fa tsy mijery intsony ilay delestazy tokony hovahana anio dia anio ihany.  Sahiran-tsaina ny vahoaka noho izany amin’izao andro fety izao satria tsy misy ny vahaolana matotra sy maharitra aroson’ny Fanjakana. Tsy azo ihodivirana fa mety betsaka ny olona no hanao fetin’ny faran’ny taona ao anaty aizina sy ny labozia amin’izao tsinam-bolana izao. Iaraha-mahalala anefa ny fahasahiranana aterak’izany satria tsy afaka ny handefa zava-maneno sy fanamafisam-peo ny rehetra raha tsy mirehitra ny jiro. Ny tsy fandriam-pahalemana rahateo tonga amin’ny faratampony ka ahiana ny fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy ao anaty aizina.

Mitebiteby ny vahoaka ary tsy fantatra intsony izay zava-misy eto amin’ny firenena. Ankoatra ny resaka delestazy mantsy dia tsy ahitan-teny ihany koa ny mpitondra Fanjakana manoloana ny raharaha hafa rehetra. Mandeha be izao ny siosion-dresaka mahakasika ny mety hisian’ny fanovana governemanta nefa dia mangina tanteraka ny mpitondra manoloana izany. Tsy misy na iray aza miteny sy manazava amin’ny vahoaka fa tena mitombina io fanovana governemanta io na ihany koa tsaho fotsiny. Misy ihany koa ny resaka fikasana hanongam-panjakana nefa mangina ny mpitondra. Ny pasitera Mailhol avy ao amin’ny fiangonana Apokalipsy no hany nitsangana nanadio tena sy nilaza fa endrikendrika natao hanimbana azy fotsiny ilay tsaho momba ny fanonganam-panjakana. Ny mpitondra ambony kosa dia mangina sy tsy ahitan-teny. Tonga amin’ny faratampony ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana ary manaporofo izany iny famonoana vehivavy miisa roa teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II. Sady misy mpiambina marobe no ihany koa anisan’ny maresaka indrindra ny eny Ankatso faritry ny tranon’ny mpianatra nefa dia izao nisy sahy nanao vono olona izao. Manaporofo izany fa tena tonga amin’ny faratampony ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena nefa ny mpitondra Fanjakana toa tsy hay ianteherana fa samy mangingina any amin’ny misy azy any.  Anisan’ny faran’ny taona azo lazaina fa tena tsy nahoraka indrindra ity hatrehantsika rahampitso ity. Sady tsy manam-bola hanaovana fety ny vahoaka no ihany koa mitaintaina amin’ny afitsoky ny delestazy sy ny tsy fandriam-pahalemana. Ho hita eo izay hambaran’ny filoha amin’ny kabary famaranana ny taona sy hataony rahampitso io. Inoana marimarina aloha fa tsy maintsy hampatsiahy ireo zava-bitany sy lazainy fa fahombiazana nataon’ny fitondram-panjakana izy ary tsy hiresaka firy ny maharary sy tena ilain’ny vahoaka.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre