Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambatobe – Lehilahy iray namono tena tamin’ny fanafody

Efa mafy ny donam-piainana matoa tena mamono tena amin’izao faran’ny taona izao. Fa ny fiainana tokoa ve no mafy sa ny olona mihitsy no efa kely saina ka rehefa tratry ny olana dia ny mamono tena sisa no hita fa mety. Raha araka ny Baiboly anefa dia voararan’ny lalàna ary tsy hisitraka ny fiainana mandrakizay izany olona mamono ny tenany izany. Tsy mitovy hevitra amin’izany anefa ity lehilahy iray, monina ao Ambatobe ity satria nisafidy ny haningotra ny ainy izy rehefa niharan’ny olana saro-bahana. Raha ny vaovao azo dia toa hoe nananan’ny olona vola be tsy toko tsy forohana izy ity nefa voaroaka tamin’ny asany. Rehefa tsy nahita vahaolana intsony noho izany ity lehilahy dia nisafidy ny hamono tena ary tamin’ny fomba efa mahazatra. Nihinana fanafody am-polony maro ity rangahy ity ary nitsitra tsy tra-drano tao amin’ny trano fidiovana. Ora maro taorian’io loza io vao nisy olona tonga tao an-tranony ary io no nahita ny fatiny efa nitsirara teo amin’ny tany. Niantso mpamonjy vonjy aina ihany izy io saingy efa tsy tana intsony ny ainy. Marihina fa tsy manambady ary mbola tsy niteraka ity lehilahy namoy ny ainy teo amin’ny 24 taonany ity.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre