Vous êtes ici :

Samedi 28 Mars 2026

ombre

FAFI V – Notolorana fotodrafitrasa vaovao ny mponina eny Ankerana

Tsy hadinon’ny fikambanana Fafi V ny nanolotra vatomamy, bisky sy fanampiana tao amin’y fiangonana Pantekotista Mitambatra Ambohidahy Ankadindramamy taorian’ny fiaraha-mivavaka tamin’ireo mpino tamin’ny andron’ny noely. Mitohy hatrany koa ny tatitry ny asa vita sy ny vaovao tokony ho fantatry ny vahoaka ao amin’ny boriboritany fahadimy, izay nataon’ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina. Omaly alakamisy 29 desambra  2016 kosa no nanaovan-dramatoa vadiny Hanitriniala Raholidina fanolorana  fotodrafitrasa fanasan-damba (Bassin) Lehibe, Paompin-drano ( Borne Fontaine ) ary fanariam-pako ( bac a ordure ) avy amin’ny sampana Fanantenana Fafi V, izay ho an’ny mpnonina eny Ankerana Ankadindramamy. Raha nandalo teny amin’iny faritra Ankerana iny tokoa manko isika taloha dia nahita fa lakan-drano kely manakaiky ny tanimbary  no akan’ny mponina eo amin’ny manodidina ny rano hanasana lamba sy hanadiovana fiara, Ka Izao no nataony dia noho ny fahitany ny tsy fananan’ny fokontany Ankerana fanasan-damba satria eny amoron-dalana  no manasa lamba ny mponina , efa antitra ihany koa ny paompy eny an-toerana ( borne fontaine ) ka na misy  paompy hafa aza dia filaharana lava be hatrany, ary natao indrindra hanalana fahasahiranana ny mponina izao fotodrafitrasa izao. Tsy hadino ny nanome :  “cuvette”, seau, savony avy hatrany koa ireo mpanasa lamba eny an-toerana. Tsy hadino ireo mpanasa fiara eny an-toerana fa notolorana combinaison ary nampanantena ny fikambanana fa mbola havaozina ny toerana.

Mamisolo

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre