Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fanafihan-jiolahy – Very ny vola 3 tapitrisa ariary, olona 1 naratra

Raha ny tsy fandriama-pahalemana tamin’ny andron’ny noely no dinihina dia toa maraina avokoa no nitrangan’izany. Nihevitra angamba ireo jiolahy fa handeha hamonjy fiangonana vao maraina avokoa ny olna rehetra ka amin’izay mora hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ny olona anefa efa mailo ka miezaka mandrindra ny fandaharam-potoana sy mifandimby mba tsy ho tapaka olona ao an-tokantrano noho ny asan-jiolahy tsy ampoizina. Misy aza anefa mbola lasibatra ihany na dia efa mba maetraka fiarovana mafy aza. Ny alahady 25 desambra tamin’ny miran’andro no tonga nanafika tao amin’ny tokantranon’ny tovolahy iray 36 taona  tao amin’ny fokontany Antsenavao, kaominina an-drenivohitr’Andranomamy, distrika Ambato-Boeny  ireo jiolahy miisa telo nirongo fitaovam-piadiana toy ny  famaky, lefona ary fibara. Rehefa tafiditra tao an-trano ireto olon-dratsy avy hatrany dia nanery ny tompon-trano hamoaka ny vola rehetra. Araka ny loharanom-baovao izay voaray dia nanohitra izy tamin’izany fanerena sy fandrahonana nahazo azy izany. Teo anatrehan’izany tsy nihambahamba ny iray tamin’ireo jiolahy namely ny lohany tamin’ny fibara. Lavo izy ary tamin’izay ireo olon-dratsy no nanararaotra namoaka ny vola  mitentina 3 tapitrisa ariary tao amin’ny fitoerany. Nitsoaka avy hatrany ireo tsy mataho-tody rehefa azony izay nilain’izy ireo. Nentin’ny fokonolona tany amin’y CsbII Andranomamy ilay lasibatra, noho ny ratra be nahazo azy. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana ihany koa no manao fikarohana ireo nahavanon-doza.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre