Vous êtes ici :

Mercredi 08 Mai 2024

ombre

Ramatoa roa niady lehilahy – Raikitra ny fifampisintomam-bolo, felaka sy daka

Rehefa ny hasarotam-piaro tokoa no mibahana eo anivon’ny mpifankatia dia tsy maintsy miafara amin’ny ady foana. Na mampirafy ilay lehilahy na ilay vehivavy na tsia dia tsy maintsy misy hatrany ny fifamaliana satria ny sain’ny roa tonta dia efa mieritreritra zavatra hafa toy ny fampirafesana foana. Tsy manjaka mantsy ny fifampitokisana ka lasa miteraka ady lava eo amin’ny mpifankatia izany. Miresaka izay fampirafesana izay indrindra dia vehivavy miisa roa, azo lazaina fa efa lehibe ihany satria manodidina ny 40 taona eo, no nitangoronan’ny olona nifampitolona teo ampovoan’ny arabe teny Anosibe ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sasany hariva tany ho any. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia toa hoe niady lehilahy izy roa ireo. Ny iray tamin’izy ireo dia voalaza fa vadin’ilay rangahy ary ny iray kosa sipany. Rehefa alarobia ny andro dia matetika tonga ao an-tranon’ilay rangahy foana ilay ramatoa sipany ary ilay vadiny kosa miasa raha ny vaovao azo hatrany. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa anefa  nandrasan’ilay vadiny kendry tohana tsara ny fahatongavan’ilay rafivaviny satria hatrami’izay dia mbola tsaho foana  no henony teo amin’ny manodidina. Tratrany soa aman-tsara, efa avy nanao izay nataony tao an-tranony tao anefa izy roa ka avy dia raikitra ny fifampikasihan-tànana. Fifampisintonam-bolo, felaka, daka, rangotra… toa ireny vehivavy miady an-tsena ireny izy roa vavy, miady an’ilay lehilahy. Ny teny ratsy amin’izany manginy fotsiny. Minitra vitsy niadiana dia efa samy naratra ny roa tonta ary teo amin’ny faritry ny tarehy no tena voa mafy tamin’izany. Samy niongom-bolo avokoa izy roa ary ny fokonolona ihany no nanasaraka azy ireo. Ilay rangahy kosa tamin’izany dia niezaka nandamina ary raha nahita fa samy efa rombotra be dia niala moramora nandositra. Samy nentina tany amin’ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra avokoa taorian’izay. Tsy nanaiky kosa ny tompom-bady fa nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre