Ho lasa ny ratsy rehetra
Hifarana androany ny taona 2016 ary inoana fa samy manana ny fomba fitsarany ny zava-nitranga nandritra izay 365 andro izay ny tsirairay. Tsara ve sa ratsy? Anjaran’ny tsirairay ny mitsakotsako ny zava-bitany sy ny fahombiazana azony nandritra ity taona efa madiva hivalona ity. Izao faran’ny taona izao rahateo no fanaovan’ny olona tomban’ezaka mba hahafahana indray manarina ny tsy nety, manohy ny tsara natao ary ihany koa manova ny toe-tsaina sy fomba fiainana ary ny fitondran-tena. Tsy atao mahakivy ny fahavoazana sy ny tsy fahombiazana satria fotoana izay hanararaotana hanadinoana ny lasa sy ny tsy nety rehetra. Izao no fandraisana fanapahan-kevitra hirosoana amin’ny mety sy ny tsaratsara kokoa. Maro ny olona no mandray fanapahan-kevitra amin’ny faran’ny taona toy izao no manapa-kevitra fa hiala amin’izay noheveriny ho tsy nety. Misy ireo nilaza fa tsy hifoka sigara intsony amin’ny taona ho avy. Ny hafa kosa hiala amin’ny toaka. Ireo tsy an’asa dia mivoady fa tsy maintsy hahita asa amin’io taona ho avy io. Fikasana tsara avokoa izany rehetra izany nefa tsy vitan’ny eritreritra sy ny vava fa mila finiavana sy fandavan-tena ary finiavana. Azo atao tsara anefa ny miova sy mandroso ary miroborobo rehefa tena eo ilay toe-tsaina tsy mivari-lavo fa vonona hitraka hatrany. Ny olona miezaka ihany mantsy no tafita amin’ny fiainana. Samy manana ny tetika sy fomba ary ny lalana heveriny fa hahafahana mandroso ny tsirairay nefa ireo tena manatanteraka izany ihany no mivoatra avy eo.
Hifarana tokoa ity ny taona koa ankoatra ny fitodihana ny lasa sy ny fibanjinana ny ho avy dia tsy afa-misaraka amin’ny olombelona ny fety aman-danonana. Maro ireo mamorona ny tsy misy araka ny fomba fiteny mba hahafahana mamalifaly ny ao an-trano sy fiaraha-mifety amin’ny tapaka sy namana. Mila mitandrina ihany koa anefa fa ny vanim-potoanan’ny fety toy izao no tena misy risika goavana amin’ireo loza maro samihafa. Ny faran’ny taona toy izao no betsaka olona maty sy marary vokatry ny toaka ka entina eny amin’ny hopitaly. Misy ireo nisotro be loatra ka tsy nahazaka ny alikaola nogohany dia marary na maty mihitsy. Misy kosa ireo entin’ny hamamoana ka mila vaniny dia darohan’ny olona. Ny hafa indray dia izy mihitsy no manao herisetra ary mandratra sy mahafaty olona. Ratsy be ny vokatry ny tsy fifehezana ny toaka ka mila mahay mandanjalanja ihany izay mpandray alikaola sao sanatria zava-doza no hitsenana ny taom-baovao. Misotro am-pahamendrehana hoy ny fiteny ary maninona moa raha tsy misotro mihitsy e? Tsy mitondra any an-danitra ny toaka ary tsy mampitombo ny vola aman-karena fa vao mainka aza ny kely ananana no trohiny.
Samy manana ny safidiny anefa io ka anjaran’ny tsirairay ny mandanjalanja izay heveriny fa mety aminy. Tsy azo hadinoina kosa anefa fa tsy fotoanan’ny famoizam-po na fanehoana hadalana ny faran’ny taona fa kosa fanehoana hafaliana sy haravoana. Izao ihany koa no fifamelana amin’ireo olona nanana disadisa sy tsy nifankahazo hevitra nandritra ny taona. Aleo hivalona hiaraka amin’ny 2016 any izay tsy nety sy nampisara-bazana rehetra ka ny ho avy feno fifankatiavana sy fihavanana ary firasiankina no hobanjinina entina mamakivaky ny taona 2017 indray.
Izahay eto amin’ny gazety Madagascar Matin dia mirary ny mpamaky rehetra sy ny fianakaviany mba samy hanao fety finaritra sy ao anatin’ny filaminana ka hahatratra ny taom-baovao rahampitso avokoa.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







