Anandrobe – Dahalo 15 lahy nanafika tokantrano roa
Asa na fifanandrifian-javatra na ireo dahalo 15 lahy nanafika tokantrano miisa 10 ny harivan’ny 27 desambra 2016 tao amin’ny fokontany Bedabo kaominina ambanivohitra Ididy ihany no nanafika tokantrano miisa roa, tamin’ny 28 desambra tany amin’ny fokontany Andrononobe kaominina Ambanivohitra Bejofo, izay samy ao anatin’ny distrika Ambatondrazaka, faritra Atsinanana. Nitondra basim-borona ireo jiolahy tamin’ny fanafihana nataony tao amin’ireo tokantrano roa ireo tamin’ny misasakalina ka nahafatesana olona iray izay 51 taona sy naharatrana iray hafa 42 taona. Araka ny loharanom-baovao dia lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 1 920 000 ariary sy ny lecteur Dvd. Rehefa lasa ireo jiolahy izay vao nanaitra ny mpiara-monina ireo lasibatra sy nampandre ny mpitandro filaminana ao Vohidiala izay nandray an-tanana ny fikarohana ireo dahalo.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







