Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antanimalandy Avaratra-Mahajanga – Nodarohany tamin’ny fanoto ilay rangahy fa tsy nanome toaka azy

Tonga tokoa ny fety ka tsy misy ny olona no manamarika izany amin’ny fisotroana. Tsy mahagaga intsony satria na tsy andro firavoravoana aza dia efa tafiditra ao anatin’ny fiainan’ny Malagasy sasany ny toaka. Ny mampalahelo anefa dia maro ireo tsy mahazaka azy akory ary mitarika azy ireo hanaotao foana sy hanao fihetsika tsy voahevitra rehefa diso be loatra. Toa ity nitranga ny alin’ny 27 desambra lasa teo ity, tao Antanimalandy Avaratra-Mahajanga ity izao dia efa tafahoatra loatra satria resa-toaka no nahafaty olona iray. Tao anaty toerana fisotroana no nitranga ity loza izay azo lazaina fa vokatry ny hadalana tanteraka. Lehilahy iray mantsy no voalaza fa nangataka toaka tamin’ny lehilahy iray hafa izay vao hitany nividy zava-pisotro teo amin’ilay fivarotana. Marihina fa olona tsy fantany akory io lehilahy nangatahany toaka io. Avy hatrany izy dia nanantona ilay raim-pianakaviana sy nanolotra vera. Hitan’ity farany anefa fa efa tena mamo ity ranamana ka tsy nomeny toaka intsony. Tezitra noho izany ilay nangataka ary lasa nivoaka ny « bar » saingy nanao tampody fohy. Minitra vitsy taorian’io dia niverina izy ary niaraka tamina fanoto be iray ka avy hatrany dia nidaroka ilay rangahy nividy tsy nanome azy. Potraka teo amin’ny tany ity farany ka avy hatrany dia maty. Raha ny vaovao azo dia teo amin’ny faritry ny lohany no nahavoa azy, ka izany no nahafaty azy teo noho eo. Nikoropaka ny rehetra ary nifampisamborana ilay nahavanon-doza. Noentin’ny fokonolona tany amin’ny mpitandro filaminana ilay rangahy ka rehefa natao ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa mamo loatra ka tsy nahatsiaro tena intsony. Nentin’ny hatezerana tafahoatra aho hoy izy ka nanao fihetsika tsy voahevitra. Notazonina tao amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga ity nahafaty olona ity mba hitandrovana ny ainy tsy hiharan’ny fitsaram-bahoaka. Atolotra ny fitsarana tsy ho ela kosa ny raharaha.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre