Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antohomaro – Sambava – Mpanjono nalentiky ny rano hita faty

Rehefa mifarana toy izao tokoa ny taona dia maro amin’ireo renirano na ranomamy eto amintsika no manjary lasa misintona olona. Tsy fantatra hatramin’izao ny tena fahamarinan’izy io fa raha ny lovantsofina dia tena misy io ary tsy azo tsinontsiniavina mihitsy ny fahamarinan’izany. Tao anatin’ny herinandro mantsy izay dia olona tsy latsaky ny dimy no hita faty nalentiky ny rano, ankoatra ireo tsy hita faty tena natelin’ny rano. Vao ny alakamisy lasa teo kosa indray no nahitàna fatin’olona teo amoron-drano tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Farahalana, ao amin’ny kaominina Antohomaro ao anatin’ny distrika Sambava. Raha ny vaovao azo dia mpanjono roalahy handeha hanjono vao maraina no nahita ny razana nitsirara teo amoron-drano ka nampandre avy hatrany ny tany an-tanàna. Nikoropaka avokoa ny olona rehetra satria foto-piveloman’ny mponina ao amin’io toerana io ny jono ka lasa nirodorodo teny amoron-drano namantatra ilay olona maty. Teo no nahafantarana fa antsoina hoe Severin ity raim-pianakaviana nindaosin’ny fahafatesana ity ary 43 taona izy. Misy anefa ireo nilaza ho mbola nahita azy tao an-tanàna ny alarobia hariva tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Mazava noho izany fa mety ny maraina vao nangiran-dratsy  izy handeha hanjono no nahafaty azy. Misy ireo miteny fa mety nianjera tao anaty rano ary sempotra no nahafaty azy misy koa anefa ireo miteny fa mety nisy namono ity raim-pianakaviana ity. Ny fahitàna ratra teo amin’ny faritry ny lohany sy tataka teo amin’ny tendany no mety hanamarina izany. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana tany Farahalana. Tsy tonga anefa ireto farany ka dia nandray fanapahan-kevitra ny fianakaviana nampakatra ny razana. Namela kamboty iray i Severin. Marihina fa mpanjono roa no efa hita faty tao Sambava andro roa talohan’io tranga io, tamin’ny toerana samihafa.

Ra Tax. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre