Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Vohiposa – Tratra ny basy Akm, sy bala maromaro

Miezaka mametraka fahamalinana ny fokonolona mba hamandrihana ireo dahalo izay mifangaro any anaty fiarahamonina any. Anisan’izany ny fanaraha-maso izay hita ho olona vaovao sy mandalo amin’ny toerana iray. Toy izay nitranga tany Andranolava fokontany Ankaditany kaominina ambanivohitra Vohiposa, distrika Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny 28 desambra 2016, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva na manokom-bary olona.  Nisy jiolahy maromaro, tsikaritry ny olona nitondra basy kalacknikov, nihaodihaody tao an-tanàna izay saika hanafika. Fantatry ny mponina avy hatrany tamin’ny fihetsik’izy ireo anefa izany fikasan-dratsy izany ka avy hatrany dia nampandre ny mpitandro filaminana ny ny solontenan’ny fokonolona.  Tsy niandry ela ihany koa ny zandary fa avy hatrany dia nidina ifotony nanao ny fizahana.  Nametraka paikady ireo zandary ka najanona alavidavitry ny tanàna ny fiara ary dia an-tongotra no nijokoana ireo olon-dratsy. Asa na nisy nilaza tamin’ireo dahalo ny fahatongavan’izy ireo fa vaky nandositra ireo malaso,  izay nanararaotra ny andro maizina. Ny fokonolona kosa rehefa nahatazana ireo zandary dia vonona hifanandrina hanampy ireto farany.  Niezaka nanara-dia ihany anefa ny roa tonta saingy tsy nisy tratra na iray aza ireo olon-dratsy. Vokany, basy Akm 01 miaraka amin’ny “chargeur” nisy bala no votsotra teny amin’ireo jiolahy nandritra ny fanenjehana ka azon’ireo mpanara-dia. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na olona na entana voaroba. Manentana hatrany ny vahoaka ny raha mahatsikaritra olona manao fihetsika hafahafa any anaty fiarahamonina any mba hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fanafihana.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre