Taonan’ny asa fitsentsefana
Tratry ny taona sa nahatratra ny taona no fiteny? Tsy hiditra lalina amin’izany adihevitra tsy hihinanan-kanina sady tsy hitondra fampandrosoana izany isika fa hifantoka amin’ny zavatra tsara entina hivoatra amin’ity taona ity. Miarahaba ny mpamaky indray tonga amin’izao taona 2017 izao ary mirary ny soa sy ny tsara rehetra ho antsika rehetra izahay eto amin’ny gazety Madagascar Matin. Fotoanan’ny fibanjinana ny ho avy mandritry ny taona ny toy izao ary hametrahana paikady mahomby mba hahafahana mandroso sy mivoatra eo amin’ny fiainana. Samy hotsarain’ny hataony hoy ny fomba fiteny ary toa marina tokoa io. Izay miasa ihany mantsy no mahazo vokatra ary izay miezaka no mahavita zavatra. Tsy misy intsony izao ny mana milatsaka avy any an-danitra nefa kosa tena azo atao mihitsy ny mandroso ao anatin’ny taona iray. Ho an’ny mpianatra izany dia ny fisondrotana kilasy no tanjona tsy maintsy ho tratrarina. Ho an’ny olona miasa kosa dia ny hampitombo ny fidiram-bola no zavatra tsy maintsy jerena manokana. Azo atao ary efa betsaka ny olona nahavita nanaporofo ny manova olona mafiady ho lasa mpanefoefo ao anatin’ny taona iray monja. Mila mahay mamaritra ny lalana hizorana sy ny tanjona hotratrarina ary ny fomba hanatanterahana izany ny tsirairay raha te hahita vokatra tsara sy misongadina mialohan’ny faran’ny taona.
Taonan’ny asa ity 2017 ity hoy ny mpitondra Fanjakana ary tsy misy maharatsy izany saingy raha tena dinihina dia tokony ho taonan’ny asa avokoa ny taona rehetra. Averina indray fa ny asa ihany no hahafahana mahazo vokatra tsara. Mora am-pitenenana anefa io taonan’ny asa io fa sarotra tanterahina. Ho an’ny firenena farahidiny toa an’i Madagasikara mantsy dia mbola olana goavana ho an’ny vahoaka ny tsy fisian’ny asa. Mety misy ny kamo be tenda sy malain-kisasatra saingy kosa azo antoka fa tsy hakamoana no mahatonga ny maro an’isa tsy an’asa fa ny tsy fisian’ny asa tsotra izao. Ireo tanora marobe manam-pahazaina sy miravaka diplaoma aza tsy mahita asa na mahita ihany fa tsy tandrifin’ny fahaizany koa mba ho aiza moa ireo tsy manana fahaizana manokana entina hameloman-tena? Raha miteny ny Fanjakana hoe taonan’ny asa ity 2017 ity dia tsy vitan’ny resaka io fa mila mamorona asa ho an’ny vahoaka mba hahafahan’ny malagasy tena mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana tokoa. Tadidintsika tsara mantsy ireny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ireny izay nanambarana fa hanokafana asa an’arivony ho an’ny tanora. Nisy tokoa ireo asa noforonina tamin’izany saingy indrisy fa tsy ny rehetra no nisitraka azy. Rehefa tena hita mantsy ireo olona nahazo azy ary nohadihadiana ny momba azy ireny dia toa olona mahitahita sy misy fifandraisany amin’ny manam-pahefana mpanapa-kevitra avokoa. Izany hoe rehefa mamorona asa ny Fanjakana dia matetika tsy ny vahoaka rehetra no misitraka izany fa ireo manodidina ny mpitondra isan’ambaratongany ihany. Tsy izany anefa no antsoina hoe fanomezana asa sy fampandraisana andraikitra ny vahoaka amin’ny fampandrosoana. Rehefa tsy ampy ihany ny asa foronina dia mila mangaraharaha ny fifantenana ireo izay homena ny asa misy. Izany hoe ireo tena mahay sy mazoto no atao laharam-pahamehana amin’ny fanomezana asa fa tsy ireo antokon’olona efa lomorina sy fetsifetsy ary kapotsaka amin’ny fitadiavana lalana hahafahana mitsentsitra fotsiny ny volam-panjakana. An-jatony maro, eny mety an’arivony mihitsy any anaty minisitera sy sampan-draharaham-panjakana any ireo olona tsy haninon-tsy haninona fa kosa fetsy ratsy amin’ny alalan’ny fahaizana mampiresaka sy fahafantarana olona ka amoronana asa izay karamaina amin’ny volam-bahoaka. Tsy handroso ity firenena ity ary tsy hisy vokany ny taonan’ny asa raha mbola izany foana no fomba fanao eto.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







