Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Doro tanety – Velaran-tany 30ha no may kilan’ny afo

Mbola tsy nisy noely sy fetin’ny faran’ny taona tsy nisy orana raha tsy tamin’iny 2016 iny. Faly sahirana ihany ny vahoaka satria ankilany tsy simba ny fitaviana vaovao raha ho an’ny mponina an-drenivohitra ; andaniny mijaly ny tantsaha satria tsy ampy rano ny fambolena, taraiky ny fiakaran’ny vokatra. Antony maro no mahatonga izany tsy fisian’ny orana izany fa ny tena fahotana mahafaty indrindra dia ny doro tanety toy izay nitranga tany Toamasina tao amin’ny fokontany Ampandrombaza, kaominina ambanivohitra Foulpointe tamin’ny 30 desambra 2016 tamin’ny 11ora sy sasany antoandro.  Araka ny vaovao avy any an-toerana dia velaran-tany 30ha no rakotry ny afo niampy tranon-drazana miisa 03. Tamin’ny 7 ora sy 50mn hariva vao voafehin’ny  fokonolona ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra tamin’izao loza izao. Ny mpitandro filaminana ao amin’ny borigady foulpointe no misahana ny fanadihadiana.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre