Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Soanierana Ivongo – Trano miisa 9 kilan’ny afo

Nanerana ny faritra maro teto Madagasikara ny resaka haintrano tamin’ny taona 2016. Betsaka ireo traboina noho izany ary azo lazaina fa tsy araka ny fitondram-panjakana mihitsy aza ny famonjena azy ireo fa tsy maintsy nila ny fanampian’ireo malala-tanana. Hatramin’izao dia betsaka ireo mbola tsy nahatafaverina nanorina indray ny trano fonenany. Tao anatin’ny fotoana tsy nisian’ny orana no tena nampirongatra izany fahamaizana izany. Tao ny vokatry ny tsy fitandremana, nisy ny afo tsy fantatra izay niandohany ary tao koa ireo izay avy amin’ny fisoparan’ny hafa ihany. Mbola nisy tranga iray izay tena nampalahelo indray anefa tamin’ny 30 desambra lasa teo tany amin’ny distrika sy kaominina ambanivohitra Soanierana Ivongo. Trano miisa 9 no may kilan’ny afo tao amin’ny fokontany Antsiranambanja tamin’ny mihilan’andro na tamin’ny iray ora antoandro. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia vokatry ny tsy fitandreman’ny fianakaviana ny afon-dakozia  tao an-tranony  no anton’izao fahamaizana iizao. Nahery ny rivotra ka vetivety dia niparitaka ny fahamaizana. Niezaka nifehy ny afo ihany ireo mponina saingy tsy voafehy izany. Vokany, levona avokoa izay fananana nohariana nandritra ny fotoana maharitra tao amin’ireo tokantrano rehetra ireo. Raha atao ny tombana dia mahatratra 28 tapitrisa ariary ny tombam-bidin’ny entana levon’ny afo rehetra tao amin’ireo trano ireo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa mahatratra 27 ireo traboina noho ny tsy fitandreman’ny hafa. Tsy maintsy nampandre ny mpitandro filaminana ireo fokonolona ka ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Soanieranan Ivongo no misahana ny famotorana amin’izao loza mitranga izao. Tsy fitandremana kely fotsiny dia mahatonga fahasahiranana goavana ho an’ny fianakaviana maromaro mandritra ny fotoana maharitra.

 

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre