Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fisolokiana – Voasambotra ilay ramatoa nilaza ho mpiasan’ny fitsarana

Malaza ary efa ikoizan’ny maro fa ao amin’ny fitsarana, natao hitsara ny heloka mihitsy no tena anjakan’ny kolikoly eto Madagasikara. Maro ireo olona mitaraina momba ny fisian’ny mpiasan’ny fitsarana maka vola ho amin’ny tombontsoa manokana anefa dia rano raraka andamosin-gisa izany satria ao amin’ny tompon’ny fahefana mihitsy no manjaka ny tsindry hazo lena. Mahakasina izay resaka fitsarana izay indrindra dia vehivavy iray 50 taona antsoina hoe Odette, voalaza fa mpisoloky, mitonona ho mahavita taratasy ao amin’ny fitsarana no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny Faritany Ambohidahy ny zoma 30 desambra lasa teo. Tao amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy mihitsy izy no voasambotra, tany ho any amin’ny 4 ora hariva tany. Efa maro mantsy ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ity ramatoa ity sy ny asa maizina ataony amin’ny olona manan-draharaha ao amin’ny fitsarana. Tsy maintsy nametraka paikady hisamborana azy noho izany ny polisy ka fiaraha-miasa teo amin’ity farany sy ny mpiasan’ny fitsarana no nahafahana nisambotra azy. Milaza ity ramatoa ity fa mahavita mamoaka olona migadra amin’ny alalan’ny taratasy sandoka avy any amin’ny « Cours d’appel » ka maka vola be amin’ny olona izay mila izany taratasy izany. Tamin’ity dia olona migadra noho ny resaka fanolanana zaza tsy ampy taona no nakany vola ka efa nahazoany vola mitentina 100 000Ariary. Rehefa nojerena anefa ny taratasy teny aminy dia taratasy hosoka avokoa. Rehefa natao ny fanadihadiana dia niaiky heloka izy ary nilaza kosa fa olona hafa no nanome ireo taratasy ireo azy. Nanentana noho izany ny polisim-pirenena mba ho mailo ny olona rehetra mikarakara taratasy eny anivon’ireny rafi-panjakana ireny fa eny anivon’izy ireny no tena manjaka ny kolikoly.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre