Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Faran’ny taona – Olona 200 naratra, 3 maty

Rehefa vanin’andro fety tahaka izao tokoa dia maro ireo loza miseho, indrindra fa eto an-drenivohitra noho izy toerana ivezivezen’ny olona maro. Tsy fandriam-pahalemana, lozam-pifamoivoizana, ady an-dalambe… maro ireo antony mahatonga ny loza ary mbola nahery vaika ihany izy tamin’ity faran’ny taona 2016 ity. Raha ny vaovao azo teny anivon’ny tompon’andraikitra teny amin’ny hopitaly Hjra dia manodidina ny 200 eo ho eo ny olona narary nila vonjy teo anivon’ny vonjy taitra sy vonjy ainan’ny hopitaly. Miisa 3 kosa ireo olona maty nandritra iny fitsenana ny taona 2017 iny. Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra dia nihena io salan’isa io mitaha amin’ny tamin’ny herintaona. Raha ny 31 desambra fotsiny no asiana teny dia olona 142 no notsaboina teny amin’ny hopitaly ary 22 tamin’izy ireo no naiditra hopitaly. Ny 70 naratra vokatry ny fiadiana an-dalambe sy tany anatin’ireny toeram-pisotroana samihafa ireny. Ny 37 kosa dia naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana izay tena nanjaka tamin’ity fety ity, indrindra fa ny scooter. Ny iray tamin’ireo telo naratra kosa dia voalaza fa voatsatoka antsy ary ny roa tsy mbola fantatra mazava ny nahafaty azy fa raha ny nambaran’ny dokotera dia ny fahaverezan-drà be loatra no nitarika ny fahafatesana. Olona iray kosa no tsy fantatra anarana sy fiaviana ary telo nitsoaka ny hopitaly. Raha ny salan’isa azo omaly dia tafiakatra 200 mahery ny olona nandalo tao amin’ny hopitaly ary manodidina ny  82 ireo notazomina ao amin’ny hopitaly. Ny 32 tamin’izy ireo dia olona naratra tamin’ilay lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho teny amin’ny By Pass omaly maraina. Nisesisesy ny naratra notaterina teny amin’ny hopitaly ary voa mafy avokoa ny ankamaroany. Misy ireo vaky loha, tapa-tànana sy tongotra, terin’ny seza sy ny sisa. Nisy zazakely iray aza voalaza fa voatsindrin’olona tao ambany. Mbola tsy fantatra na maty ity farany na tsia fa mampanahy tokoa raha ny toe-pahasalamany. Ny mpitondra ity fiara ity kosa dia tsy hita popoka. Voalaza fa nitsoaka izy ary mbola karohina amin’izao fotoana izao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre