Mahatsinjo – Tra-tehaka ny mpangalatra lakolosy
Olona 9 lahy no tsikaritry ny manodidina fa saika hangalatra lakolosy tao amin’ny fiangonana katolika Mahatsinjo any Maevatanàna ny alin’ny 31 desambra lasa teo. Efa taorian’ny fingadon’ny feon-dakolosy 12 manambara fa misasaka ny alina ary mitsidika ny taona 2017 no saika hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy. Diso fitetika anefa satria amin’ny maha alin’ny fidiran’ny taona azy dia mbola misy ireo olona mivezivezy ka nahatsikaritra ny teti-dratsy rehetra. Nanaitra ny manodidina io olona nahita io ka raikitra ny fanenjehana. Nandositra tao anaty aizina ireo jiolahy ary tafaporitsaka ny 8 namany. Ny iray kosa azo sambo-belona ary tsy tratran’ny fitsaram-bahoaka fa nentina teny amin’ny zandary. Nitetika ny hanan-karena tampoka ity andian-jiolahy ity ka dia teny amin’ny fiangonana no nitonantonana andro taom-baovao ka izao niala maina izao. Mahagaga ihany koa fa tena tian’izy ireo mihitsy ny lakolosin’ny fiangonana katolika. Ireny angamba no tsara kalitao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







