Vao manomboka dia olana
Tsy misy masoandro mihiratra ara-bakiteny ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara. Maro ireo manantena maraina vaovao sy fiainana tsaratsara kokoa amin’ny voalohan’ny taona toy izao nefa toa mifanohitra amin’izany ny zava-miseho. Vao manomboka mantsy ny volana janoary dia olana no mitsena an-dRamalagasy. Voalohany amin’izany ny delestazy izay sady efa namely ny faran’ny taona no mbola nikapoka ihany koa ny taom-baovao. Marobe ireo fianakaviana niara-nikorana tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona no voaelingelina noho ny fahatapahan’ny jiro matetika ny 1 janoary lasa teo. Atsipy any amin’iza indray izany ny olana satria ny Jirama dia efa nilaza mazava fa ny tsy fahampian’ny ranon’orana no mahatonga ny fahatapahan-jiro tsy mety voafehy mihitsy. Efa manomboka avy anefa ny orana hatramin’ny herinandro lasa iny nefa toa mbola mitohy ihany ny delestazy. Na inona na inona fanazavana dia misy fitantanana tsy mahomby amin’ny resaka famatsiana jiro sy rano eto Madagasikara. Sarotra ny hanondro olona na sampan-draharaha ho tsy mahavita ny andraikiny fa ny azo antoka dia mila vahaolana matotra sy mahomby io sehatra io. Maro rahateo ny sampan-draharaha voakasiky ny fanatsarana ny fitantanana ny famatsian-jiro sy rano ka mila jeren’ny Fanjakana akaiky ny fandrindrana ny asan’izy ireny mba hialana amin’ny fifanilihana andraikitra rehefa misy ny tsy fahombiazana.
Kapoka goavana faharoa miantefa amin’ny fiainam-bahoaka ihany koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny vidim-piainana mantsy io solika niakatra io satria hisondrotra hiaraka amin’izay ihany koa ny saram-pitaterana sy ny saran-dalana isan-tsokajiny. Maro rahateo ireo mpanao fitaterana no mahay manararaotra ny fiovana kely mba hampakarana ny tolotra omen’izy ireo. Ny tena ahian’ny vahoaka dia ny tsy maintsy hisondrotan’ny saran-dalana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka an-tanàn-dehibe. Efa matetika no milaza ny hampiakatra izany ny fikambanan’ireo kaoperativa miasa eto an-drenivohitra nefa nahay nandefitra hatrany manoloana ny fitadiavam-bahaolana nataon’ny fitondram-panjakana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Saika ho isam-bolana anefa dia ahitana fisondrotany hatrany ny vidin-tsolika ka raha mitohy izao dia ahiana tsy ho afaka ny handrefitra intsony ireo mpitatitra ka voatery hampiakatra ny vidin’ny tapakila. Ny vahoaka irery ihany anefa no hizaka ny vesatra aterak’izany rehetra izany. Ny volana janoary rahateo tena mafy ho an’ny isan-tokantrano noho ny tsy fahampian’ny vola entina miaina.
Ny fahatelo kosa dia ny loza voajanahary. Nitady orana ny malagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra ka io tonga io ny andro ratsy. Ilaina amin’ny fampihodinana ny milina mpamokatra herinaratry ny Jirama no sady ihany koa ho an’ny famatsiana rano fisotro ny orana saingy kosa loza ho an’ny faritra iva. Ahiana sahady mantsy ny mety ho fiakaran’ny rano amin’ny fokontany maro eto Antananarivo renivohitra. Tsy ampy rahateo ny fotodrafitrasa fanarian-drano ka vao milatsaka kely ny orana dia efa dobo-drano ny faritra iva. Ankoatra izany dia efa manomboka manimba ny lalana ao afovoan-tanàna sy ny manodidina ny orana nijohy tao ho ao izay. Hita porofo fa tena tsy manara-penitra ireo asa fanamboaran-dalana natao mialoha kelin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia ireny fa natao vonjy tavan’andro mba hanatsarana ny fivezivezen’ireo vahiny nasaina fotsiny ihany. Ela nandrasana saingy miteraka olana goavana ho an’ny mponin’Antananarivo sahady ny fiavian’ny orana. Mbola ao anatin’ny fotoana fialantsasatra izao fa raha vao migadona eo ny amin’ny herinandro dia ahiana ihany koa ny hisian’ny fitohanana lavareny eo amin’ny fifamoivoizana.
Raha ny zava-misy izany dia tokony hifantoka manontolo amin’ny famahana ny olana eo amin’ny sosialim-bahoaka ny asa maika tsy maintsy ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Ekena fa misy ireo tetikasa lavitra ezaka tsy maintsy jerena sy atao nefa kosa tena maika ary iankinan’ny fianam-bahoaka ny fampidinana ny vidim-piainana sy ny fanajanonana ny delestazy ary ny fametrahana fandriam-pahalemana.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







