Ambohidratrimo – Maty notifirin’ny jiolahy ny zanak’ilay tompon-trano
Rehefa vanin’andro fety, indrindra fa rehefa faran’ny taona dia tena manjaka ny tsy fandriam-pahalemana na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra. Tsy mifidy toerana, na olona asiana intsony mantsy ireo mpanao ratsy ary mampitondra faisana izay sendra azy ireo. Ny faran’ny taona 2016 teo, tokony ho tamin’ny 1 ora alina dia nisehoana trangam-panafihana tao amin’ny fokotanin’Ampahimanga ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Raha mbola variana nanao fety ny olona tao an-tanàna dia nikasa ny hamaky trano kosa ny jiolahy miisa 4. Ny fanamafisam-peo rahateo nandeha mafy ka tsy henon’ny iray trano fa nisy nanafika sy nikasa hiditra tao an-trano. Tamin’io fotoana io dia tao amin’ny efitranon’ny zanak’ilay tompon-trano no saika hidiran’ireo jiolahy. Vao naheno anefa fa nisy nisikotra tsimoramora ny varavarankeliny dia nitsangana izy ary efa ireo jiolahy tafiditra tao an-tranony no hitany. Avy hatrany dia notifirin’ireto farany izy teo amin’ny faritry ny lohany ary avy dia maty tsy tsa-drano. Raha vao naheno ny feom-basy ny rehetra avy dia nikoropaka nijery ny zava-nisy tao ambany ary ilay reniny no nidina aloha tamin’izany. Vao tafidina ny tohatra anefa izy dia efa notsenain’ny jiolahy ary voatifitra ihany koa. Tsy nahavoa azy anefa ny tifitr’ireo jiolahy fa ny fiparitahan’ny bala teny amin’ny tarehiny sy ny tratrany no nandratra azy. Ny raim-pianakaviana tao an-trano no nirotsaka an-tsehatra nanampy ilay ramatoa tamin’ny alalan’ny fandraisana fitaovam-piadiana teo amin’ny manodidina azy. Tsy nahita afa tsy vato anefa izy ka raikitra ny tora-bato. Tsy nahatifitra intsony tamin’izany ireo jiolahy fa nitsoaka nisaoty ny arofanina. Tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy ary nambaran’ilay raim-pianakaviana fa tsy mitahiry vola ao an-tokatrano izy mianakavy no tsy misy fitaovana lafo vidy mipetraka akory ao. Maty tsy amin’ny antony noho izany ilay zanak’ilay tompon-trano.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







