Antananarivo renivohitra – Nanidy trano ny mpivarotra
Niavaka tanteraka ny omaly alatsinainy voalohany amin’ity taona 2017 ho an’ny teto an-drenivohitra satria nanakatom-baravarana avokoa ny ankamaroan’ny mpivarotra. Na ireo mpanao enta-madinika izany na ny mpivarotra akanjo eny Behoririka dia tsy nisy nisokatra. Hatramin’ny mofo dipaina ihany koa aza no nifampitadiavana vao maraina manerana ny fokontany maro. Araka ny fanazavana dia nikatona ihany koa ny ankamaroan’ny mpanao mofo. Ho an’ireo magazay lehibe dia sady fialan-tsasatra kely amin’ity herinandro ity no fotoana fanamarinana ny vola niditra nandritra ny faran’ny taona lasa teo ihany koa. Ambonin’izany dia manao ny fijerena akaiky ny fizotry ny asa nandritra ny taona izy ireo. Na dia heverina ho tsy nanam-bola aza ny malagasy dia hita nisongadina fa tena nandeha ny tsena tamin’iny faramparan’ny taona iny. Ny magazay mpivarotra zava-maneno izao dia nahalafo hatramin’ny fanamafisam-peo 20 isan’andro talohan’ny noely sy ny herinandron’ny faran’y taona.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







