Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Betafo – Lasan’ny dahalo miisa 18 ny omby 37 tao am-bala

Ny tranga mikasika ny fandriam-pahalemana rehetra dia toa misy fotoana fiatoany avokoa fa ny halatr’omby tsy mandingana andro iray akory no aharenesana azy. Na iza na iza mpitondra nifandimby teo dia tsy nisy nahita vahaolana maharitra mba hamongorana azy ity fa vao mainka aza mirongatra hatrany. Samy milaza izay holazainy fa miverina ihany ary mahita fomba hanamafisana ny fanatanterahana izany hatrany ireo malaso. Amaritana ny fananan-karen’ny Malagasy ny omby. Noho izany efa azo lazaina ho manerana ny faritra rehetra ny asan-dahalo amin’izy ity satria saika efa manana avokoa ny isam-baravarana, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Tamin’ny 30 desambra 2016 rehefa tafalatsaka andro iny na  tamin’ny 02 ora tolakandro dia nisy dahalo miisa 18 nitondra basim-borona tonga nanafika tao amin’ny tanàna iray any Miandrarivo, fokontany Mateloana, kaominina ambanivohitra Antonibe, faritra Vakinankaratra. Omby 37 no lasa tamin’izany, izay an’ireo tokantrano maromaro tao an-toerana. Nisy nanana basy ihany koa tamin’ireo fokonolona ka raikitra tamin’izay ny fifampitifirana. Sendra tamin’ny fotoana nandalovan’ireo zandary avy any Miandrivazo handeha hisahana ny fisakanan-dalana any Antsirabe ihany koa ka niangavian’ny mponina mbva hanampy azy ireo amin’ny fanarahan-dia. Rehefa tonga tany amin’ny 7 km miala ny tanàna dia raikitra indray ny fifampitifirana. Vokany, dahalo iray no maty ny roa kosa naratra mafy ka nentin’ireo namany nitsoaka. Tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony ny omby 36 fa ny iray kosa novonoin’ireo dahalo teny an-dalana. Nisy basy vita gasy koa latsaka teny an-dalana fa nopotehan’ny fokonolona. Misokatra ny fanadihadiana.

 

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre