Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Vohitsara – Jiolahy 4 nanafika bar

Fotoana fanararaotan’ny mpivarotra zava-pisotro misy alikaola ny andro fety, indrindra ny faran’ny taona. Amin’io ihany koa anefa no tonga manararaotra ireo jiolahy satria mahatsikaritra fa betsaka ny olona no miantsena. Tamin’ny 30 desambra 2016 tamin’ny 11 ora alina teo àry dia jiolahy efatra no tonga nanafika toeram-pisotroana iray, tany Vohitsara, kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Nirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy ireo tamin’izany ka naratra mafy voatsatoky ny jiolahy iray tamin’ny antsy ny raim-pianakaviana tao amin’ilay tranombarotra. Niantso vonjeo ny iray tamin’ireo tao an-trano ka rifatra nandositra niaraka tamin’izay ireo olon-dratsy. Tsy nisy ny entana na vola lasan’izy ireo. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy fa ity raim-pianakaviana ity no  naratra ary nentina avy hatrany teny amin’ny hopitalibe ao an-toerana ihany. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina no misahana ny fanadihadiana. Mila manamafy ny fiarovana ireny mpivarotra ireny satria sarotra ny mifehy ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre