Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Kamiao nivadika, maty tsy tsa-drano ilay mpandeha

Mifarana ny taona fa ny loza isan-karazany kosa tsy mety ho tapitra ary manera ny Nosy mihitsy no isehoan’izany. Raha ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny faran’ny taona iny no resahina dia tena maro tokoa ary ny ankamaroan’izy ireny dia vokatry ny lalana malaman’ny orana avokoa. Ny « goudron » miampy fasika madinika mantsy dia sakay sy maso amin’ny orana mihitsy ka mampirongatra ny lozam-piarakodia. Manoloana izany anefa dia maro koa ireo olona izay tia mandeha mafy, eny na eny amin’ireny fiolahana ireny aza. Tsy vitsy amin’izy ireny anefa no ratsy hisatra fijanonana, ary misy mihitsy aza no tapaka hisatra eny am-pandehanana ka tsy maintsy mandona fiara hafa, na any amin’olona na mifatratra any an-kady. Ny sabotsy 31 desambra 2016 lasa teo izao dia nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tao Toamasina, teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Analalava, lalana mampitohy an’i Foulpointe sy Andodabe. Kamiao iray voalaza fa mpitatira fanamafisampeo no nivadika tany an-kavian-dalana ary nahafaty mpandeha iray. Raha ny voalazan’ny olona dia somary nandeha mafy ity kamiao ity, toa maika hamonjy fety satria efa tara. Marihina fa efa tamin’ny 11 ora alina no nisehonan’ity loza ity. Rehefa tsy nahatana familiana intsony ilay mpamily, ny lalana rahateo fiolahana ka tsy maintsy nivadika ilay fiara. Ny vodiny no lasa aloha ary nanaraka avy eo ny lohany. Maty teo noho eo tamin’io ny mpandeha iray izay vao 34 taona monja. Vokatry ny fidonana mafy sy ny ratra nahazo azy no nahafaty ity olona ity. Ilay mpitondra ilay fiara ihany koa dia naratra mafy ary avy dia nentina tany amin’ny hopitaly. Niteraka fitohanan’ny fiara ny taom-baovao moa io loza io satria nitsivalana  ampovoan-dalana mihitsy ilay kamiao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre