Mangina ny tanàna
Milamindamin-dratsy ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao fiandohan’ny taona izao.Toa mangina tsy ahitan-teny avokoa mantsy ny tompon’andraikitra rehetra manoloan any zava-misy. Ny taona no vaovao ary mety ny asam-panjakana no mitaredretra saingy mihazakazaka kosa ny fiainam-pirenena. Vao mitsidika ny taona dia delestazy sy fiakaran’ny vidin-tsolika ary loza isan-karazany no mitsena ny andavanandrom-piainan’ny mponina. Mimenomenona irery any an-tokantrano sy eny an-dalana sisa no ataon’ny vahoaka fa tsy hita izay tompon’andraikitra hitarainana. Ny polisy no mba hany tazana mivezivezy manao ny fitandroana ny filaminana manerana ny tanàna. Fa nankaiza avoko ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra. Eo avokoa ny ankamaroan’izy ireo saingy misafidy ny hangina satria mety tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena. Miandry ny filoham-pirenena hiteny ny praiministra sy ny minisitra vao heverina fa hiseho vahoaka indray. Any amin’ny filoha izany ny lakile hanokafana ny varavaramben’ny fahanginan’ny mpanao politika eto Madagasikara. Tsy ny mpitondra ihany mantsy no misitritsitrika fa na ireo avy amin’ny antoko mpanohitra ihany koa dia tsy ahitan-teny. Heverina fa miandry izay fanambaran’ny filoha ny rehetra vao samy hametraka mazava ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena.
Ny azo antoka mantsy dia tsy maintsy hiompana amin’ny asa fampandrosoana hotanterahina amin’ity taona ity ny kabarin’ny filoha eny Iavoloha amin’ny zoma ho avy izao. Efa hanam-bola be hanatanterahana ny asa fampandrosoana nampanantenainy rahateo izao ny fitondram-panjakana taorian’ireny fampanantenana 10 miliara dolara mahery nataon’ny mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola iraisam-pirenena tany Parisy tamin’ny volana novambra 2016 ireny. Mety hitondra fanovana famindra izay mitaky fanovana ny ekipa mpanatanteraka eo anivon’ny fitondram-panjakana ny fahazoana io vola io satria mila mifantoka bebe kokoa amin’ny asa fananganana zavatra azo tsapain-tanana ny programa rehetra amin’ity taona ity fa tsy hijanona fotsiny amin’ny fandaniam-potoana toy ny fikarakarana atrikasa sy fivoriana tsy hitondra fanovana amin’ny fiainam-bahoaka toy ny efa fanao tao anatin’izay 3 taona nitondran’ny Filoha izay. Ny fahafantarana fa hanam-bola be hampiasaina ny fitondram-panjakana anefa dia manosika ny mpanao politika hitady lalana hahafahana mitavana izany vola izany. Ny efa tsara toerana dia tsy maintsy hanao ny fomba rehetra tsy hampihozongozona azy ireny. Io antony io no tsy hitenen’izy ireo sao sanatria hanao hadisoana eo ka hahatezitra ny filoha ka ho very seza. Ireo tsy mbola manana andraikitra ao anaty fitondram-panjakana ihany koa dia efa miandry kendry tohina fotsiny hijerena hirika hisisihana ao. Ny fanelezana tsaho mahakasika ny mety na tokony hanovana ny Praiminisitra no fomba hitan’ireo te hampiakarana ny vintana mety hahazoan’ireo toerana. Raha rava tokoa mantsy io governemanta io dia misy toerana Praminisitra iray sy minisitra 20 mahery ary mpiasam-panjakana ambony an’arivony no hisokatra ka hozaraina amin’ireo tia tena sy mamba noana ara-politika rehetra. Ireo antony rehetra ireo no mahatonga ny fitoniana ara-politika amin’izao fiandohan’ny taona izao. Tsy milamina akory ny raharaha politika fa kosa tsy misy sahy miteny fa miandry izay ho endriky ny fitsipi-dalao vaovao hapetraky ny filoha. Aorian’ny zoma ho avy izao izany vao hiraradraraka ny fanehoan-kevitra sy fisehosehoana satria amin’izay vao samy haka ny toerana mety aminy ny ankolafin-kery samihafa. Andrasana ny hisian’ny fivadiham-palitao amin’ireo mpanao politika mitady seza noho ny filazan’ny fanjakana fa efa ho avy ny vola hampiasaina. Tsy hahagaga intsony raha ho maro amin’ireo olon’ny antoko mpanohitra no hivadi-dela ka hilaza indray fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny mpitondra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







