Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambodimanga I – Voly rongony 2ha tratran’ny polisy niaraka tamin’ny mpamboly

Anisan’ny toerana be mpamboly rongony miafina indrindra raha i Vohemar no resahina. Ny faran’ny herinandro teo dia voly rongony amin’ny tany midadasika mirefy roa hekitara be izao no saron’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Ambararata, fokontany Ambodimanga I ao amin’ny kaominina Ampanefena. Fiaraha-miasa teo amin’ny mponina sy ny polisim-pirenena tao an-teorana notarihin’ny kaomisera Tombozafy no nahafana namantatra io toerana fambolena rongony miafina io. Raha ny vaovao azo dia nambolena niaraka tamin’ny vary ireo jamala ireo ary misy mihitsy ireo mikarakara manokana ny voly. Nanditra ny fidinana ifotony nataon’ny polisy tao Vohemar dia tra-tehaka teo ampikarakarana ny voly rongony ny lehilahy iray. Tamin’izany indrindra no nitenenan’ny mpitarika ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina tao Vohemar fa hohamafisina ny fanaraha-maso ireo toerana mety hisian’ny fambolena rongony antsokosoko izay tena voararan’ny lalàna tanteraka. Noho ny fiparitahan’ny rongony ao Vohemar lasa “bizina rapida”, ary roboka midoroka hatramin’ny tsy ampy taona mantsy dia ezaka tsy maintsy ataon’ny mpitandro filaminana ny fikarohana ireo mpandray, mpivarotra ary mpanondrana jamala ao an-toerana. Tao anatin’ny telo volana, voly rongony amin’ny hektarany maro no sarona ka nodorana imasom-bahoaka raha ny fanampim-panazavana azo tao amin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Na izany aza dia mbola maro ireo toeram-pambolena jamala antsokosoko eto Madagasikara. Mbola mitohy ny fikarohana ny naman’ilay mpamboly tratra.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre