Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Farihin’Itasy – Lehilahy 1 maty navadiky ny lakana

Herinandro izay no niavian’ny orana dia hita ho efa miakatra be mihitsy ny rano amin’ny toerana maro, raha tsy hilaza afa-tsy ny eto amin’ny faritra Analamanga isika. Iri-mahaory satria sady mamono no mamelona ny fiavian’ny orana. Miaina ny tantsaha satria mahazo rano ny fambolena. Miferinaina anefa ny isan-tokantrano satria miakatra ny rano ary mety hisy ny maty sy traboina. Ny marainan’ny 1 janoary lasa teo dia lehilahy roa nandeha nanarato no navadiky ny lakana, tany amin’ny farihin’Itasy kaominina amlbanivohitr’Ampefy, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Nanipy harato ny iray rehefa tonga teny am-povoan-drano, ary tamin’izay no nivadika tampoka ny lakana. Nahafikitra mololo nampiasain’izy ireo tao anaty lakana ny iray ary iny no namaharany mandra-pahatonga ny mpamonjy azy. Ny iray kosa tsy hita ary mbola karohina hatramin’izao, izay antsoina hoe Rakotonindrina Alfred,60 taona, monina ao Malaza, fokontany  Moratsiazo.

 

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre