Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Vohémar – Zazavavy nisasa amoron-drano narapaky ny voay

Biby iray tsy mba ho naman’ny olona velively raha ireny voay ireny. Na an-tanety mantsy na anaty rano dia mandrapaka izay azony izy ary tonga amin’ilay fitenenana hoe tsy mamela mahazo toy ny mamba. Tena tsy mamotsotra izay azony tokoa satria tovovavy kely iray nentin’ny reniny nisaika teny amoron-drano no maty norambasan’ny voay be tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Maintialaka, kaominina Ampondra ao Vohemar. Ny zoma 30 désambra lasa teo no nisehoan’ity loza be ity, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Raha ny vaovao azo dia nentin’ny reniny nandeha nisaika niaraka taminy teny amoron-drano ilay zaza. Marihina fa toerana efa fisasan’ny mponina eny amin’ny manodidina io renirano io ka tsy nanana ahiahy ilay ramatoa. Efa fantatry ny iray tanàna anefa ny fisian’ny voay ao amin’io rano io, saingy efa fahazarana ny an’ny mponina ka dia mandro eo daholo ihany. Tsy nampoizina anefa fa nipotra tampoka avy ao anaty rano ilay biby be nandady ka avy dia nandrapaka ny tongotr’ilay zazavavy kely vao roa taona monja. Raha ny vaovao azo dia narapany tanteraka ny tongotra ankavanan’ilay zaza ary avy eo dia tratrany ihany koa ny tanany ankavanana. Nandriaka ny rà ary nanjary lasa menamena hatramin’ny sisin’ilay renirano be. Nikikina ilay zaza ary teo no nahitan’ny reniny azy efa mihosona rà. Niantso lehilahy matanjaka nanao horombe ilay voay avy eo ny fokonolona ka voasambotra ihany izy. Tsy nahavita na inona na inona intsony anefa ireo olona ireo satria efa very rà be ilay zaza noho ny faharetan’ny fisokirana azy tao ambavan’ilay voay. Norasaina tamin’ny antsy maranitra avy eo ny kibon’ilay voay nangalana ny poti-tanana sy tongotr’ilay zazavavy kely. Marihina fa mirefy 3 metatra sy 60 ilay voay ary nambaran’ireo mponina fa tsy io irery ihany no mety hampidi-doza ao fa maro izy ireo no ao anaty rano ao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre