Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

67ha – Novonoin’ny jiolahy ho faty ilay mpanotra

Vao manomboka ny taona 2017 dia efa nahitana tranga mampalahelo maro teto amintsika. Anisan’izany ilay lozam-pifamoivozana teny Antanifotsy nahafatesana olona tsy latsaky ny dimy ; fanafihan-jiolahy tany Betafo ; fanafihan-jiolahy teny Ambohidratrimo sy ny asan-dahalo maro tany amin’ny faritra ivelan’Antananarivo. Tranga iray mampalahelo tokoa manko no nitranga omaly maraina teny 67 ha Avaratra manakaiky ny hotely manga iny satria lehilahy iray 70 taona no nisy namono ho faty tao an-tranony. Raha ny fitantaran’ny vehivavy iray taizany dia ny alahady 01 janoary 2017 izy no hitan’ny manodidina azy farany. Ny marainan’ny alatsinainy nihidy gadena avy aty ivelany ny tranony, omaly talata 3 janoary mbola nihidy ihany  ka tapa-kevitra ny manodidina fa hopitsohina ny hidin-trano. Akory anefa ny hatairan’ny rehetra fa vatana efa tsy misy aina intsony no hita tao, feno ratra, efa misy faritra nohanin’ny voalavo sady efa nisy fofona ratsy. Raha ny filazan’ny olona akaiky azy dia maty novonoina izy satria nohidin’ireo olon-dratsy avy aty ivelany ny varavarana. Nisy vola manodidina ny efatra hetsy ariary teo ho eo koa tao an-tranon’ilay rangahy ary tsy hita. Raha ny voalaza ihany koa dia nokasaina hodorana ny trano satria nahitana kitay fandrehitra sy labozia tao fa saingy tsy nahazo rehitra. Mpanotra moa ity rangahy ity, ary ilaharana mihitsy ny mankao aminy. Olona maro no tonga tao aminy omaly maraina, izay mitsabo tena amin’ny alalan’ny otra no niverina nody fotsiny tamin’alahelo raha nahita sy nahare fa maty novonoina ilay rangahy.

 

Mamisolo

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre