Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Lalana vita taratasy

Manomboka feno lavadavaka be indray ny araben’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Vao herinandro mahery kely no nirotsaka ny orana dia simba sahady ny lalana maro. Raha mitohy izany izao zava-misy izao dia azo antoka fa tsy maintsy ho rava tanteraka ny lalana rehetra eto Antananarivo. Tsy maintsy hitohy anefa ny orana satria vao manomboka izy izao ary tsy hifarana raha tsy any amin’ny volana aprily na mey any. Hihamafy ihany koa satria ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Simba ny lalana nefa kosa tsy hita izay fandraisan’andraikitra ataon’ny ao amin’ny kaominina sy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tena nisy tokoa ny asa sy ny ezaka natao tamin’ny taon-dasa ary efa azo nandehanana ny araben’Antananarivo na dia mikatontaona aza izany. Notapenana tao anatin’ny fotoana fohy ireo lavadavaka rehetra vao nanakaiky ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ny frankofonia. Nasehon’ny fitondram-panjakana ary noporofoiny tamin’ny vahoaka fa mahavita izy rehefa hanao. Roa volana teo ho eo na latsaka kely ary dia voatampina ireo lavaka  fikotrehan’akoho manerana ny renivohitra. Napetraka ny takelaby milaza fa miasa ho an’ny vahoaka ny Fanjakana nefa rehefa tena nodinihina dia tsy ho an’ny vahoaka no nanaovana ireny asa ireny fa ho an’ny vazaha. Nandrasana mihitsy mantsy hoe tena efa akaiky kely ny fivorian’ny frankofonia vao namboarina ny lalana mba hisy hampiasain’ny vahiny. Vita ara-potoana tokoa izany ary mety efa nampoizin’ny fitondrana ihany fa tsy hateza matoa efa tena hanomboka ny fivoriana vao vita ny asa rehetra. Isaka ny misy orana kely milatsaka dia miverina amin’ny laoniny ireo lavaka rehetra ary miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana sy fahasimban’ny fiarakodia izany. Tsy mahagaga raha nipoitra ny sangisangy zary tenany nilazan’ny vahoaka fa lalana vita amin’ny taratsy angamba no misy eto. Vita amin’ny taratasy satria vao lena dia simba. Ny kaominina sy ny fitondram-panjakana anefa dia nanamafy matetika fa nahita akora sy tekinika vaovao hanamboarana lalana sady haingana no mafy sy mateza. Ny haingana aloha dia ekena fa ny mafy sy mateza dia tsy maharesy lahatra. Mila midina ifotony mandeha fiara mitety ny arabe rehetra eto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra ambony dia mahita ny zava-misy marina. Tsy ampy hitsarana ny zava-misy mantsy ny tatitra satria matetika dia vitan’ireo homena baiko ny mandika vilana ny zava-misy mba hisehoana fa miasa izy ireo. Raha mitohy anefa izao fahasimban’ny lalana izao dia azo antoka fa tena hosahirana ny mponina sy ny mpandalo eto an-drenivohitra amin’ny fotoana fidiran’ny mpianatra sy fiverenan’ireo mpiasa lasa niala sasatra amin’io herinandro ho avy io. Tsy maintsy hiverina indray ny fitohanana lavareny sy ny fahasorenana izay miteraka fankahalan’ny vahoaka ny mpitondra. Tsy azon’ny manam-pahefana adino mantsy fa isaka ny misy olana mitranga eny anivon’ny fiarahamonina dia izy ireo no tondroin’ny vahoaka ho tsy mahavita azy. Marina ny an’ny vahoaka satria volabe sy tombontsoa mihoam-pampana no omena sy anakaramana ireny tompon’andraki-panjakana sy mpiasam-panjakana ambony ireny. Mpanefoefo mihitsy izy rehetra nefa tsy hita izay tena vokatry ny asa vita fa ny volam-bahoaka fotsiny no lany. Raha te hanatsara ny fifandraisany amin’ny vahoaka izany ny mpitondra dia mila mitondra vahaolana haingana sy mahomby ary maharitra manoloana ireo olana maro sedrain’ny mponina. Io lalana miha simba andro aman’alina io izao tena mila fanamboarana haingana mihitsy. Toy izany ihany koa ny famahana ny olan’ny delestazy sy ny fisondrotam-bidim-piainana ary ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tsy fananan’asa.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre