Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Andrefan’Ambohijanahary – Naratra mafy ilay rangahy latsaka tao anaty tatatra

Nandritra ny telo andro nisesy izay dia avy foana ny orana teto an-drenivohitra. Mazava ho azy fa milomano anaty rano maloto, mba tsy hilazana zavatra hafa indray izany ny mponin’Antananarivo ary indrindra hisedra fitohanana lavareny vokatry ny rano mandrakotra ny arabe. Ny alatsinainy lasa teo fotsiny, ohatra, tao anatin’ny adiny iray niavian’ny orana dia efa hatreny ampoto-pe ny rano. Olana sedrain’ny vahoaka isaka ny vanim-potoana fahavaratra saingy tsy andraisan’ny fanjakana fepetra mihitsy. Ny lavadavaka eraka ny lalana sy ny tatatra tsy misarona manginy fotsiny. Ankoatra ny fahasimban’ireo fiara mifamezivezy eto an-drenivohitra dia mety hitera-doza mahatsiravina ihany koa ny fiandronan’ny rano eny amin’ny arabe. Vao ny alatsinainy lasa teo izao no nisehoana loza saika nahafaty olona teny amin’ny manodidina an’Andrefan’Ambohijanahary iny, nandritra ny fikijàn’ny orana. Araka ny vaovao azo, rangahy iray hamonjy fodiana eny Tanjombato no latsaka tao anaty tatatra. Ny fiara fitateram-bahoaka efa nifampitadiavana ka naleony nandeha an-tongotra moramora nanara-tsisiny ka teo no nahalatsaka azy tao anaty tatatra iray fandehanan’ny rano maloto. Raha ny nambaran’ny nahita maso dia ny tongony havia no nilatsaka aloha ary ny tongony ilany kosa tavela teo ambony. Nioritra ary mety ho tapaka mihitsy izany ary ny tanany kosa folaka vokatry ny fitehenany, mba tsy hilatsahany tanteraka tao anatin’ilay tatatra.  Ny olona sendra nahita azy no nirotsaka an-tsehatra nibata azy sy nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Misy ireo nilaza fa raha tsy nisy nahita ny nianjeran’ity rangahy ity dia mety nilentika tao izy ary tsy hita faty tao. Soa fa mbola nazava ny andro satria tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any no nisehoan’ity loza ity.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre