Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Antanifotsy – Maty vokatry ny hatairana ilay miaramila

Lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona maro no nisantatra ity taona 2017 ity tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Fiara Sprinter mpitatitra olona, mampitohy an’i Fandriana sy Antananarivo no nifandona mafy tamin’ny kamiao iray mpitatitra entana. Araka ny fanangonam-baovao azo dia anisan’ny mpandeha tamin’ilay sprinter koa ny miaramila kaporaly iray 51 taona. Rehefa henony fa maty ny vadiny sy ny zanany 7 taona dia taitra tampoka izy ka tapaka lalandra ary maty avy hatrany. Miaramila manao stage Cm1 ao amin’ny Ensoa Antsirabe izy io. Tafakatra valo izany ireo maty hatramin’izao. Marihina fa ilay mpamily ny fiara dia mpanofa tranon’io manam-pahefana io araka ny loharanom-baovao hatrany.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre