Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Naratra mafy ny mpandeha 6 sy ny mpamily

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Malama ny lalana, ka mety hisy ny loza tsy ampozina eny am-pandehanana eny indrindra moa miampy ny fandehanana mafy ataon’ny mpamily. Andro vitsy lasa izay no nitrangana loza mahatsiravina namoizana ain’olona maro tany Ilempona.  Na inona fahamaikana rehefa malama ny lalana dia tokony tsy handeha mafy mihitsy ny mpamily. Fanajana mpandeha aloha voalohany indrindra ary fisorohana ny loza kosa ankilany. Tsy hadino ihany koa ny mpamily mpanampy satria mila ampy torimaso sy tsy vizana ny mpamily. Tamin’ny 2 janoary 2017 tamin’ny 5 ora sy sasany maraina àry dia nisy fiara Toyota mampitohy an’Antsiranana sy Antananarivo nivadika rehefa tonga tany Manerinerina, kaominina Tsaramasoandro. Resin-tory ilay mpamily ka tafavoaka ny lalana ilay fiara ary nidona tamin’ny vodihazo tamin’ny ankavanan-dalana sy nivadika nihorirana tany amin’ny 6m miala ny arabe. Vokany  olona 06 no naratra ka anisan’izany ny mpamily ary simba be ilay fiara. Nalefa any amin’ny Chrd Ankazobe ireo naratra ary nakarina eny amin’ny Hjra  taorian’izay.  Ny manam-pahefana ao  Manerinerina no manao ny famotorana mahakasika izao lozam-pifamoivoizana izao. Efa betsaka ny fampitandremana apetraky ny tompon’andraikitry ny fifamoivoizana eny an-dalana eny mba hitandreman’ny mpamily, misy ny atao amin’ny haino aman-jery, ao ihany koa ny fitsipika ifampifehezan’ny kaoperativa. Ny mahagaga anefa tsy vitsy ny mpamily no minia mandika izany ary manao izay saim-patany.  Rehefa tonga ny loza dia tsy sahy miatrika akory ny mpamily sy ny mpanampiny fa mandositra. Ireny fihetsika ireny anefa matetika manamafy ny hatezeram-bahoaka.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre