Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Maevatanana – Mpangalatra lakolosy 4 tra-tehaky ny zandary

Nanjary lasa bizina ary vao maika miparitaka eraka an’i Madagasikara mihitsy amin’izao fotoana izao ny halatra lakolosim-piangonana. Tamin’iny taona lasa iny dia maro ireo fiangonana lasibatra ary lakolosy am-polony maro no efa tsy hita popoka, ankoatra ireo tratran’ny mpitandro filaminana. Raha tsiahivina dia nanomboka tany amin’ny faritra atsimo tany izy ity, tany amin’ny distrikan’i Beroroha tany ary dia nihanaka tokoa ka tsy nisy intsony faritra tsy nisian’izany. Na maro aza ireo fepetra noraisin’ny manam-pahefana eto Madagasikara toy ny fanaraha-maso ireo orinasa vaventy sy salantsalany ary madinika mpandrendrika vy ireny, hatreto aloha dia tsy nahafoana ny halatra izany. Mitohy mangina hatrany noho izany io halatra io na dia somary tsy nahenoana vaovao aza tato ho ato. Omaly dia mpangalatra lakolosy miisa 4 no tra-tehaky ny zandary tao Maevatanana. Toerana tsy mbola naharenesana fangalaran-dakolosy mantsy io toerana io ka noeritreretin’ireo mpangalatra fa mora hanaovana ny asa ratsiny. Tsy izay anefa no nitranga fa efa nandeha ny feo tao an-tanàna fa misy olona manara-maso ny fiangonana maromaro izay ahitàna lakolosy vy. Niara-nientana noho izany ny mpiandry fiangonana, ny mpiray tanàna sy ireo mpitandro filaminana nijery raha nanana fikasan-dratsy tokoa izy ireo. Nahomby ny tetika fa teo am-pangalarana mihitsy ry zalahy no tratran’ny zandary.

Ankoatra izay dia teratany vahiny iray no tratran’ny polisin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Maevatanana nitondra soavalin-dranomasina na « hippocampe » milanja 18 kg ny faran’ny taona lasa teo. Tsy fantatra ny niavian’ireo biby saropady ireo ary tsy maintsy nentina natao fanadihadiana izy. Tsy vao io teratany vahiny io ihany mantsy no tratra saika hitondra na hanondrana ireny biby efa ho lany tamingana ireny eto amintsika fa efa maro, raha ny volana novambra sy desambra 2016 fotsiny no asiana resaka.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre