Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Mahajanga – Andian-jatovo manao herisetra nataon’ny polisy haza lambo

Mampihorohoro fotsiny tsotra izao, andian’olona na mety ho iray tanàna mihitsy ireto andian-jatovo mahery setra ireto. Miparitaka eraka an’i Madagasikara mantsy izy itony amin’izao ary olona maro  no efa naratra sy maty nanaovan’izy ireo azy. Tsy amin’ny antony dia mamono sy manindrona antsy, mitora-bato sy manompa ary migafy izay sendra azy ireto andian-jatovo ireto. Araka ny vaovao azo dia ditra miampy fifohana zava-mahadomelina no tena mahatonga azy ireo hanao izany. Tao Mahajanga manokana fotsiny izao dia efa ho 20 mahery izy ireo no mihaodihaody eraka ny tanàna ary na alina na antoandro dia tsy mitsahatra mampihorohoro izy ireo. Rehefa alina indrindra moa dia miharo fanendahana ny figafiana ataon’izy ireo. Eo anatrehan’izany dia misy ny vaovao tsara ho an’ny mponin’i Mahajanga, izay efa mihorohoro fatratra fa olona dimy amin’ireo « foroche » no tratran’ny polisy. Haza lambo raha izay no azo ilazana azy satria natao sambo-belona izy ireto. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nitsotra izy ireo fa anisan’ireo nanakorontana tanàna maromaro tao an-toerana anisan’izany i Mahavoky Avaratra sy Atsimo. Hita teny amin’izy ireo ihany koa ny fitaovam-piadiana maro toy ny antsy lava lela sy ny sabatra.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre