Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Arivonimamo – Tratra ny basy vita gasy sy ny paikady enti-manafika

Rahoviana vao handry fahalemana i Madagasikara? Miaina anaty fitaintainan-dava ny vahoaka noho ny afitsok’ireo manasokajy ny tenany ho fahavalom-bahoaka na ireo dahalo sy jiolahy mpanao fanafihana isan-karazany izany. Tamin’ny 4 janoary 2017 tamin’ny 9 ora sy sasany alina dia nisy andian-jiolahy mitam-piadiana nanafika trano iray tany amin’ny fokontany Talata Tsimadilo, ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo. Nitora-bato ny trano ireo jiolahy ka niantso vonjy avy hatrany ny tao an-trano raha nahare izany. Avy hatrany dia nivoaka ny fokonolona ka rifatra nandositra niaraka tamin’izay ireo jiolahy. Taorian’ny fahalasan’ireo olon-dratsy dia mbola nijery izay faritra maizimaizina ny mponina. Tsy nahita jiolahy niery intsony fa basy fohy vita gasy sy kitapo feno ody gasy miaraka amin’ny taratasy mirakitra ny paikadin’ireo jiolahy hoenti-manafika no  hita tao. Tsy nisy aina nafoy na olona naratra na fananana very tamin’izao fanafihan-jiolahy izao. Misokatra ny fanadihadiana.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre