Fanafihan-dahalo tao Ambalakindresy – Nirefotra ny kalachnikov, feno bala ny vatan’ilay mpamily
Ratsy fanombohana mihitsy ity taona 2017 ity. Vao manomboka ny taona dia efa manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eraka ny tanàna. Faritra maro sahady no efa lasibatry ny dahalo ary efa maro koa ireo namoy ny ainy. Omaly dia nihorohoro ireo mponina ao Ambalakindresy, ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony satria dia nanafika tamin’ny andro antoandro be izao ireo jiolahy. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana dia nanjary lasa faritra mena ihany koa io toerana io ary anjakan’ny fanakanan-dalana sy ny asan-jiolahy. Na andro antoandro aza dia ahitana fanakanan-dalana any amin’io toerana anisan’ny tena andalovan’ny fiara io, indrindra fa ny alina izay tena fady mihitsy ny mandeha aminy. Faritra manelanelana an’Ambohimahasoa sy Vohiparara no misy azy. Ny faraparan’ny taona 2016 dia nahitàna trangana fanakanan-dalana mitam-piadiana tany amin’io toerana io ary nirefodrefotra ny basy tamin’izany. Mpamily iray vao 24 taona monja no voatifitr’ireo jiolahy nandritra izany ary naratra mafy saingy avotra soa aman-tsara ihany. Raha ny fitantaran’ity farany dia namonjy tsena tao Ambalakindresy izy tamin’io fotoana io ary rehefa tonga teno amin’ny “barrage” anefa dia tsy namela hanokatra izany ilay mpiambina. Rehefa tsy nanaiky anefa ity mpitondra fiara dia lasa nandeha ihany, niaraka tamin’ny mpitety tsena namany. Fotoana fohy taorian’io anefa dia nirefotra ny basy, ary kalachnikov no nampiasain’ireo jiolahy tamin’izany. Raikitra ny fifampitifirana ka bala maromaro no niditra teo amin’ny kibo sy ny tongotra, ny fe sy ny ranjo izay potiky ny bala ihany koa. Tsy tafahetsika intsony ilay fiara ka dia nanao izay danin’ny kibony ireo dahalo, nanendaka izay azo nendahina ary naka ny entana rehetra. Soa anefa fa nentina tany amin’ny mpitsabo akaiky ity mpamily ka avotra ihany ny ainy, saingy malemy tsy afaka mihetsika intsony amin’izao fotoana izao.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







