Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Antsahabe – Nokasohan’ny 182 sprinter avy any aorina ilay fiara tsy mataho-dalana

Tsy mba fain-draha ary diso mihetraketraka loatra ny mpamily itony fiara sprinter mpitatitra olona itony. Omaly tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro dia nisy fiara tsy mataho-dalana iray niakatra hihazo an’Ambohijatovo no nosongonan’ny sprinter mampitohy an’Ambohijatovo sy Ambolokandrina rehefa tonga teo amin’ny fiolahana eo Antsahabe. Nosongonan’ity farany avy aty amin’ny ankavanan-dalana iry voalohany ka avy dia voakasoka soa aman-tsara ny teo amin’ny zorony an-kavanana. Samy kika ny andaniny sy ny ankilany fa ny hita fa diso kosa dia ilay fiara fitateram-bahoaka. Natao ho an’ny rehetra ny fitandremana satria rehefa tsy misy ny ratra dia tsy maintsy hisy fahasimban-javatra izay tsy mahatonga ny fandaniana tsy ampoizina. Ny fiainana anefa efa iaraha-mahita fa sarotra ka ilaina ny fahaiza-mandinika amin’izay atao rehetra.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre