Isotry – Tra-tehaky ny polisy ilay mpanendaka ikoizana
Faritra mena raha iny 67 ha sy Isotry iny amin’ny resaka fanendahana. Tsy azo aleha, indrindra fa rehefa manomboka maizina ny andro satria isaka ny elakelan-trano dia saika ahitana mpanendaka avokoa. Mitondra sabatra avokoa ary rah any maivana indrindra dia antsy ary tsy mifidy olona hasiana ireo mpanao ratsy ireo ary irony olona tratra alina irony no tena lasibatra amin’izany. Matetika dia manodidina ny amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina no tena maro ireo mpanendaka eny an-toerana. Na misy aza anefa ireo polisy mandehandeha amin’ny alina mihodina eraka ny elakelan-trano sy manara-maso ny toerana rehetra eto an-drenivohitra dia mbola mahavita manao ny asa ratsiny ihany ireo mpanendaka ary efa am-polony maro sahady no efa voaendaka teny amin’iny faritra Ambalavao Isotry iny, raha tamin’ity taona vaovao ity fotsiny no resahina. Mahakasika izay indrindra dia mpanendaka voalaza fa raindahiny no tra-tehaky ny polisy teny Ampefiloha ny alarobia lasa teo. Vaovao mahafaly ho an’ny mponina izay tena nanamafy fa mpanendaka efa ikoizan’ny maro io tratra io. Noraisim-potsiny satria efa narahan’ny polisy maso teo amin’ny toerana fanaovany ny asa ratsiny ity jiolahy ity, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Raha ny vaovao voaray dia mpanendaka anisan’ny atahoran’ny olona eny amin’iny faritra Isotry iny ity tratra ity, saingy tsy misy sahy miteny noho ny tahotra valy faty. Mijery fotsiny ny mponina ary maro ireo olona efa lasibatr’ity rangahy ity, raha ny tatitra azo tamin’ny polisy. Sinto-mahery, fanendahana miharo herisetra no tena mampalazy azy. Efa ela noho izany no nikarohana azy sy ireo namany saingy mbola tsy nahitam-bokatra. Ny alarobia teo kosa dia roalahy izy ireo no teo amin’ny toerana famelezany saingy ny iray dia tafaporitsaka. Taoriana ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa efa nigadra in-telo teny Antanimora noho io asa ratsiny io ihany izy ary niaiky ny heloka vitany.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







