Herinandro tsy namokatra
Hifarana sahady ity ny herinandro voalohany amin’ny taona 2017. Asa na mbola manohy ny fialan-tsasatra na maka bahana ny tompon’andraikitra fa raha ny zava-nisy dia nangingina ny herinadro. Raha olona tena vonona hiasa anefa dia tsy niandriandry fa avy hatrany dia nanohy sy nanatsara ny natao tamin’ny taon-dasa. Tsy andrasana kabary sy toromarika vaovao ny asa fampandrosoana ny firenena fa mitohy isan’andro. Ny 2016 no nifarana ary ny 2017 no nitsidika fa ny fiainam-bahoaka tsy misy mifarana sy manomboka izany fa mitohy tsy an-kijanona. Karazan’ny fantatr’ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola fa somary mangingina ny fitondram-panjakana amin’ny fiandohan’ny taona toy izao ka nohararaotin’izy ireo tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hahazoana tombony bebe kokoa. Aiza ve ka vao mipaika ny segondra voalohan’ny taona 2017 dia nasondrotra ny vidin-tsolika. Tsy misy mpivarotra izany raha tsy ny mpaninjara solika eto Madagasikara. Ny an’ny olona ahena ny vidin’entana rehefa manomboka ny taona fa ny antsika atao izay hiakarany. Mangina rahateo ny fitondram-panjakana ary tsy nisy sahy niteniteny mihitsy tamin’iny herinandro iny fa toa mifampiandry hatrany. Ny kabarin’ny Filoha omaly angamba no nandrasana mba hijerena izay lalan-kizorana vaovao. Teo ihany koa ny resa-be mahakasika ny fanovàna ny governemanta.
Raha ny tahotra amin’ny mety hosoloina no tsy hanaovan’ireo minisitra isan-tsokajiny asa mivaingana sy goavana dia mendrika azy ireo ny hoesorina amin’ny toerana. Inoana marimarina mantsy fa na hisy aza ny fandravana Governemanta dia azo antoka fa mbola ho tafaverina amin’ny toerany ireo minisitra tena miasa sy mahita vokatra. Matoa ny filoha manova mpiara-miasa dia heveriny ho tsy nahavita ny andraikitra tandrify azy ireny olona hosoloina na efa nosoloina ireny. Mety hisy ihany ny halako bika tsy tiako tarehy ka hanesorana olona tena miasa nefa tsy misy fatiantoka ho an’izay voakasika izany. Tsotra ny antony dia izao : asa fampandrosoana ny firenena sy fanasoavana ny vahoaka ny asam-panjakana ambony ka tsy ilaina dera sy laza ho an’izay mahavita. Tsy azo hadinoina ihany koa fa mpiasa karamain’ny vahoaka ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra ka tsy maintsy mamokatra satria izay no nankinina tamin’izy ireo.
Raha fehezina izany ny resaka dia tsy ankasitrahan’ny vahoaka ny fahanginan’ny fitondram-panjakana tamin’ity herinandro ity. Tsy misy lalàna mamaritra mihitsy mantsy hoe mipetrapetraka aloha ny minisitera isan-tsokajiny amin’ny herinandro voalohany amin’ny taom-baovao. Efa naka aina izy ireo tamin’ny faramparan’ny taona iny dia io fa manohy ny hakamoana indray. Ireo mpiasam-panjakana madinika dia efa niverina niasa sy manao ny fampandehanan-draharaha mahazatra fa ireo tompon’andraikitra ambony mihitsy no toa mitavozavoza sy tsy sahy maka fanapahan-kevitra goavana ho an’ny asa fampandrosoana ny firenena.
Ho hita eo indray izay zava-hitranga amin’ny herinandro ho avy io satria vita iny ny kabarin’ny Filoha ary miandry izay tena asa “fananganana” nampanantenaina ny vahoaka. Ekena fa tsy vita iray andro ny asa fampandrosoana sy ny fananganana fotodrafitrasa maharitra saingy hadinon’ny mpitondra fa tsy vao iray andro izy ireo no teo amin’ny fitantanana ny firenena. Raha ny ampitso na ny afakampitson’ny andro nandraisany ny fitondrana ny Filoha no niteny fa tsy vita iray andro ny fampandrosoana dia tokony hangina ny vahoaka satria marina ny azy. Hadinon’ny mpitondra kosa anefa fa efa 3 taona aty aoriana ny vahoaka vao mitaky ny vokatry ny asa fampandrosoana. Raha asa fampandrosoana sy fananganana tsy vita tao anatin’ny 3 taona izany kosa angamba mety tsy ho bvita intsony mba tsy hilazana hoe tsy natao mihitsy. Tamin’ny 2014 no tokony hanomboka ny asa fampandrosoana nampanantenaina fa tsy izao taona 2017 izay efa manomboka miditra amin’ny famaranana ny fotoam-pitondran’ny fitondrana Hvm izao satria efa tapitra roa ampahatelon’ny fe-potoana hiasan’ny filoha.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







