By Pass – Dadabe iray nisy nidaroka, feno ratra ny vatany
Tranga mampalahelo sy nampihetsi-po ny maro. Dadabe iray no tsy nahatsiaro tena hitan’ny olona teny amoron-tanimbary, teny amin’ny lalan’i By Pass, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora hariva. Raha ny fahitan’ireo mpandalo nahita azy dia manodidina ny 80 taona any ho any izy. Nametra-panontaniana ny maro hoe mamo ve sa marary sa kosa nisy namono izy satria dia nitsirara teo amin’ny bozaka no nahitan’ny mpandalo azy. Ireto farany no nibata azy nipetraka teo amoron-dàlana. Teo no nahitana fa feno ratra sy mangana ny vatan’ilay rangahy efa fotsy volo ary maloto koa ny akanjony. Raha ny vaovao azo dia feno rà mbola mivaingana ny vavany ary feno dian-javatra toy ireny voadaroka ireny ny lohany. Ny masony kosa dia mivonto be tsy misy ohatra izany ary toa mangana anaty mihitsy raha ny nambaran’ny olona. Tsy izany ihany fa nahitana faritra maratra ihany koa ny tarehiny sy ny tanany ary azo lazaina ho mbola velona mihitsy ny rà teny amin’ny vatany. Mitombona tanteraka noho izany ny fieritreretana fa nisy nidaroka ity rangahy ity. Tamin’ny fotoana nanontanian’ny olona azy kosa anefa dia mbola tsy nahatsiaro tena tsara ilay rangahy ka niboredika niresaka tamin’ny olona. Rehefa nametrahana fanontaniana mahakasika ny ratra teo amin’ny masony izy dia namaly fa fanafody no nahatonga io mivonto be io ary ny ankizy any an-trano ihany no mahalala azy. Teo koa no nahitan’ny olona fa mbola nivembena sy tsy nahatsiaro saina izy satria na ny anarany sy ny toerana ipetrahany aza tsy tadidiny akory. Ny nampalahelo anefa dia nandalo sy nanontany fotsiny ireo mpandalo ireo saingy tsy nisy na iray aza nandray an-tànana azy na nitondra azy tany amin’ny tobim-pahasalamana. Ny hita aloha dia niharan-javatra izy ary mety mafy ny daroka nahazo azy satria nandritra ny fotoana ela dia mbola verivery saina izy. Maro anefa ny milaza fa raha mpanendaka no nahavita namono azy dia toa tsy misy na inona na inona azo nalaina teny aminy. Izy rahateo rangahy efa osa.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







