Mananara avaratra – Naratran’ny fokonolona ilay polisy saika hanatanteraka didim-pitsarana
Ny lalàna dia natao hifehy ny olona rehetra na lehibe na kely, manomboka amin’ny manam-pahefana hatrany amin’izay heverina ho olona madinika indrindra ary tsy mifidy sokajy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, mba hisian’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana. Misy ny mpitandro filaminana natao hanara-maso akaiky ny fampiharana izany mba hisorohana izay mety ho fifandonana eo amin’ny mpampihatra lalàna isan-tsokajiny. Taona maromaro nifandimby anefa izay dia tsapa ho sarintsariny fotsiny ihany sisa ny lalàna apetraka eto Madagasikara satria tsy vitsy ireo sahy mandika izany. Tsy anondroana olona io fa saika ahitana izany fandikan-dalàna izany avokoa na avy amin’ny vahoaka na avy amin’izay heverina ho mpitondra sy ireo nomena fahefana hampihatra lalàna. Izay mifanaraka amin’ny firehan-tsain’ny olona sasany no heverina ho mety fa tsy misy intsony ny fanekena izay voapetraky ny antenimiera. Mifandraika amin’izay indrindra àry dia polisy efa-dahy avy any Fenoarivo Atsinanana niaraka tamin’ny vadintany no tonga nampihatra didim-pitsarana tany Tanambe any Mananara Avaratra ao anatin’ny faritra Analanjirofo. Rehefa tonga tao izy ireo dia notoherin’ny fokonolona avy hatrany. Vokatr’izany, simba ny fitaratr’ilay fiara, nesorin’ny fokonolona ny rivotra tamin’ny kodiarana ary nisy polisy iray naratra mafy ka avy hatrany dia nalefa any amin’ny hopitaly ao Mananara avaratra. Teo anatrehan’izany herisetra nataon’ny vahoaka izany dia nangataka fanampiana tamin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena tao an-toerana izy ireo ka niara-nidina tany Tanambe nijery ny zava-misy. Tsy tanteraka ny fampiharana ilay didim-pitsarana fa fandaminana ny vahoaka sisa no natao.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







