Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tetezan’Ambohimandroso – Saika latsaka tao anaty rano ilay fiara

Saika loza mahatsiravina indray no niseho tamin’ny lalam-pirenena faha-7 ny alakamisy tolakandro lasa teo. Fiara marika 306 iray no saika latsaka teo amin’ny tetezan’Ambohimandroso. Raha ny vaovao azo dia nandeha tamin’ny hafainganam-pandeha ara-dalàana ihany ity fiara ity saingy tsy fantatra fa nisy nanohitohina na nalama vokatry ny orana ny lalana fa dia efa tafavoaka ivelan’ny tetezana ny lohan’ilay fiara niaraka tamin’ny kodiarana iray. Niezaka namily ny lohan’ilay fiara, mba tsy hampilatsaka azy ihany ilay mpamily saingy tsy hitany intsony izay natao. Taitra noho izany ny olona nahare ny feon’ny hisatra fijanonana ka avy dia nanatona nijery ny zava-misy. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia efa feno olona ny tetezana ary nitady tetika mba hibatana ilay fiara, hiverina mahitsy amin’ny lalana. Sarotra ho an’izy ireo anefa ny nanao izany satria raha tsy mahay dia izay vao tena latsaka tanteraka any anaty rano ny fiara. Niteraka fitohanana mihitsy aza io fiara saika latsaka io ary fotoana maro taty aoriana vao tafiala teo an-toerana. Olona maro no niara-nisalahy nanampy ilay mpitatitra tamin’izany. Na izany na tsy izany, tsara hatrany ny manipika fa efa tena mila fanamboarana iny tetezana iny. Tsy vitsy amin’ireo mpampiasa an’iny làlam-pirenena iny no mitaraina ny amin’ny haratsian’ity fotodrafitrasa iray ity. Raha ny zava-misy tokoa mantsy dia misy lavaka eo afovoan’ity tetezana ity efa fotoana maharitra izay. Ny lalana rahateo tery dia tery. Tsy mahagaga araka izany raha misy amin’ireo fiara fitateram-bahoaka, indrindra ireo lehibe toy ny Sprinter, no mivily amin’ny sisiny. Aterina hatrany ny antso amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy mba hisorohana ny loza, mba tsy hionona amin’ny honohonon-dresaka fa misy lolo iny toerana iny.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre