Tonelina Ambanidia – Mbola atahorana ny fihotsahany noho ny orana
Ao anatin’izao vanim-potoanan’ny orana izao dia maro ireo tany mihotsaka eto Antananarivo, indrindra fa eny amin’ireo faritra avo toy ny eny Faravohitra sy ny manodidina azy. Atahorana hatrany noho izany ny hisian’ny loza aterak’io fihotsahana io satria mety ho tonga hatrany amin’ny firodanan’ny trano maro sy ny fianjeran’ny hazo mihitsy izany raha tsy misy ny fisorohana mialoha. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa maro ireo tany mihotsaka ary ahiana hatrany ny hitomboan’izany satria efa ho avy mandritra ny andro maromaro indray ny orana. Iaraha-mahalala anefa fa orana kely fotsiny dia efa mikaoka ny nofon’ny tany. Ny tany eto amintsika rahateo efa ratsy kalitao ka vao misy orana kely dia efa mihotsaka. Mahakasika izany dia maro ireo matahotra sy manahy ny mety mbola hihotsahan’ny tonelina eo Ambanidia. Raha tsiahivina mantsy dia maro ireo milaza fa tsy misy atahorana ny haharava io fotodrafitrasa io. Misy anefa ireo vahiny manam-pahaizana nijery azy tamin’izany fotoana izany nilaza fa atahorana ny fihotsahan’ireo vatobe mandrafitra izany. Miverina ny tahotry ny mponina, indrindra fa ireo mpampiasa io tonelina io satria efa ahitàna fihotsahana sahady eny an-toerana, na dia efa nisy aza ny fanamboarana natao. Manaitra ny tompon’andraikitra hijery akaiky ny zava-misy mba tsy hitera-doza.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







