Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tsarahonenana – Tanàna maloto, ny fako miparitaka

Efa an-taonany maro izay no natsangana ny tetikasa Rf2 na ( Rafitra Fanadiovana ), izay hita eny amin’ireo fokontany 192 eto Antananarivo renivohitra ka iray amin’ireo ny fokontany Tsarahonenana . Raha ny tsikaritra anefa amin’izao dia toa tsy manao ny asany ara-dalàna ireo Rf2 ireo satria miparitaka eraka ny tanàna ny fako manomboka eny anelakelan-trano ka hatrany amin’ny arabe, ny lakandrano izay efa tsentsina tanteraka ka mivoaka manaraka ny arabe ny rano maloto. Mitaraina noho ny loto ireo mponina satria mety hiteraka aretina izany amin’izao fahavaratra izao. Efa ho herinandro tokoa manko izao tsy misy maka ny fako eny an-toerana nefa dia andoavana vola isam-bolana izany. Tsy vao izao no manao izany asa antsirambina izany ireo tompon’andraikitra  ireo fa rehefa te hanao ny asany izy dia manao ary rehefa tsy te hanao dia tsy ataony mihitsy. Ny fanadiovana manomboka eny amin’ny lalan-kely sy ny fijerena ny lakan-drano tsentsina rehetra eo amin’ny fokontany no imasoan’izy ireo voalohany. Tsy izany anefa no miseho fa toa mitombo hatrany ny loto. Koa manao antso avo ho an’ireo tompon’andraikitra mahefa ireo vahoaka mba hijery akaiky ny fanadiovana sy ny fahasalamam-bahoaka eny amin’iny fokontany Tsarahonenana iny.

Mamisolo

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre