Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tsy mahazaka tsikera !

Tsy mahazaka tsikera ve ny filoha sa vonona ny hiasa mafy ary hanaporofo fa tsy mitombina ny hevitr’ireo mpanenjika azy. Nasongadin’ny filoha hatramin’ny fiatombohan’ny kabariny, niverimberina teny antenantenany ary voaresaka hatramin’ny farany ny tsy fankasitrahany ireo « pitsIkera be fahatany ». Tsy namaly firy ireo « mpitsikera » ny filoha tamin’iny taona lasa iny fa tamin’ny kabarin’ny taom-baovao vao namatrapatratra. Inona tokoa anefa ireo tsikera rehetra nolazainy fa tsy nitombina ? Marina tokoa aloha ny azy mahakasika ilay fivorian’ny frankofonia e. Lainga be sy tsy nitombina ny fanelezana fa tsy horaikitra eto Madagasikara ilay fihaonana an-tampony. Niaraha-nahita tokoa fa natao teny Ivato ny fivorian’ny frankofonia ary nilaza fa tena afa-po tamin’ny fikarakarana sy ny fandraisana ireo vahiny rehetra. Tena fahombiazana iny ho an’ny fitondram-panjakana ary nanaporofo fa tsy nitombina ireo tsikera sy fanenjehana azy.

Tsy azo hadinoina anefa fa tsy ny resaka frankofonia irery no niteraka adihevitra be teto amin’ny firenena tamin’iny taona lasa iny. Anisan’ny nahazoan’ny Fanjakana tsikera ihany koa mantsy ny tsy fandriam-pahalemana. Nirongatra be ny asan-dahalon ny fanafihana mitam-piadiana, ny fakana an-keriny ny volon’olona sy ny fitsaram-bahoaka. Nahazo tsikera mafy ny Fanjakana fa tsy mahavita miaro ny vahoaka sy ny fananany ary tsy azo lavina fa marina izany. An-jatony ny malagasy no matin’ny tsy fandriam-pahalemana raha nisaina tamin’iny taon-dasa iny. Am-polony ireo nisy naka an-keriny ary an’arivony ny omby very. Raha nisy angamba ny fanaovana tombana ny zavatr’olona rehetra lasan’ny mpangalatra dia inoana fa amina miliara maro izany. Nahagaga anefa tsy nasian’ny filoha resaka tao anaty kabariny izany tranga tena maharary sy mahafaty ny vahoaka izany. Satria ve tena mitombina ireo tsikera dia nodiana tsy notenenina. Mbola niteraka savorovoro sy fatiantoka amina miliara ary namoizana ain’olona ihany koa ny delestazy tamin’iny taon-dasa iny. Nokianin’ny mpanao politika sy ny vahoaka mafy ny filoha satria tsy nahavita nanatanteraka ny teny nomeny hoe 3 vola ary avy eo herin-taona dia voavaha tanteraka ny olan’ny delestazy. Mbola tsikera mitombina ihany koa io nefa tsy noresahina tao anaty kabary. Latsa aza no valiny satria nolazaina fa 300 miliara Ariary isan-taona no fanampiana ny Jirama nefa 14%n’ny vahoaka fotsiny no misitraka izany. Tena latsa mihitsy satria hoe nahavitana fotodrafitrasa betsaka io raha nanamboarana lalana. Mbola nampiana ihany koa hoe efa miroso amin’ny fampiharana ny vidintsolika tena izy isika. Raha ireo no jerena dia hita fa marina ny tsikeran’ny mpanao politika sy ny vahoaka fa tsy mahita vahaolana amin’ny fampidinana ny vidim-piainana sy ny vidin-jiro ary ny fanafoanana ny delestazy ny Fanjakana.

Ambetintenin’ny filoha ny hoe tsy vita iray andro ny asa fampandrosoana sy ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra saingy tsy hadinon’ny vahoaka fa tsy niteny izany izy tany amin’ny fampielezan-kevitra. Raha nitsotra izany hatrany am-boalohany mantsy izy dia tsy ho lany satria tsy nisy hifidy azy teo. Filoham-pirenena mahavita asa fiovana ao anatin’ny fotoana fohy no ilain’ny vahoaka ary izany no nampanantenaina tany amin’ny praopagandy. Tsy vita ao anatin’ny andro iray tokoa ny asa fampandrosoana saingy tsy tokony hadinoina fa efa ho 3 taona izao io fitondrana io no teo fa tsy vao roa na telo andro akory. Izany hoe raha tonga izy dia niasa hatrany am-boalohany dia efa tokony ho marobe ny zava-bita tao anatin’izay 3 taona izay. Eken’ny rehetra fa sarotra ny manangana ary tsy mora ny miala amin’ny fahantrana nefa kosa tsy vitan’ny fampantenana sy ny tatitra tsy hihinanan-kanina ny asa fampandrosoana. Na dia niraradraraka aza ny oha-pitenenana malagasy dia hadinon’ilay nandrafitra ny kabarin’ny filoha tamin’ny zoma lasa teo ny niteny hoe “Ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina”, “Ny fampanantenana tsy hihinanankanina ary ny fireharehana tsy mahavoky vahoaka”. Tsy mahagaga izany satria tsy mbola niova ny fomba fanaovana politika eto Mafagasikara hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Ny mpitondra Fanjakana no mpanjaka vaovao ka tsy mba diso ary tsy azo homen-tsiny satria azy ireo ny Fanjakana sy ny Hery ary ny voninahitra…

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre