Ampasimena – Zazavavy maty nananton-tena
Tsy fantatra hatramin’izao izay tena nahazo ity zazavavy ity fa dia ny fatiny nitsirara teo amin’ny tongo-pandrinany sisa no hitan’ny fianakaviany ny zoma alina lasa teo tao Ampasimena ao amin’ny kaominina Andabotoka anatin’ny distrikan’ny Maintirano. Vao 22 taona monja ity zazavavy ity ary tsy nanana olana manokana tamin’ny fianakaviana na tamin’ny olon-tiany. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao, rehefa tsy tao an-trano ny fianakaviana sy ny mpiara-monina taminy, dia naka tady izy ka nasiany vona dia nampidiriny tamin’izany ny tendany avy eo. Rehefa tontosany izany rehetra izany dia nodakainy ilay seza ka nihantona irery ny tenany ary namoy ny ainy avy hatrany taorian’izay. Araka ny filazan’ny fianakaviana dia efa andro maromaro izy no tsy nifampiresaka tamin’ny tao an-trano. Tsy fanaony mihitsy anefa izany raha ny nambaran’ireo akaiky azy. Manontany tena noho izany ireo fianakaviana hoe nisy olana sa antony hafa mihitsy no nahatonga azy namono tena. Tsy nahitana ratra kosa ny tenany araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







