Andapa – Maty ny saofera, tapa-tanana ilay zaza
Tany amin’ny Pk18 hiditra an’Andapa no nitranga ny loza ka fiara fitaterana marika Mazda iray no nilatsaka tany an-kady efa ho 100 metatra mahery. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamily ary zazalahy 12 taona no tapa-tanana ka voatery nanaraka fandidiana. Olona 11 no tao anatin’ilay fiara tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io ka ny 3 nalefa ao amin’ny hopitalin’Ambanja ary ny 2 hafa kosa tsy maintsy nalefa any Antsiranana. Tsy fantatra mazava kosa izay tena nahatonga ny loza na vokatry ny fandehanana mafy, na tsy fahatomombanana ara-tekinika na ihany koa tsy fitandreman’ny mpamily. Izy rahateo io nindaosin’ny fahafatesana io ka miankina amin’ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo akanga sisa nanambora nieren-doza tao anaty fiara no hahafantarana ny tena zava-nitranga marina.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







