Fanalana ny fiantsonan’ny taksibe eo Anosy – Vao mainka hiteraka fitohanana
Mampitaraina ny vahoakan’Antananarivo tao anatin’ny taona maro raha io resaka fitohanan’ny fiara io. Tsy misy mantsy amin’izao, indrindra rehefa mianatra ny mpianatra, lalana tsy misedra fitohanana, eny hatramin’ireo lalana tsy ampiasain’ny Taksibe izany. Mandany fotoana ny olona. Indraindray aza tena manimba fandaharam-potoana mihitsy io fitohanana lavareny io ary efa maro ireo very asa vokatr’izany. Izy ireny koa anefa dia tena mampirongatra ny asan’ireo mpisinto-mahery izay tena mahazo tombony tokoa satria mora amin’izy ireo ny maka ny entan’olona izay tsy tafahetsika ao anaty fiara akory. Ny herinandro lasa teo fotsiny izao dia olona tsy latsaky ny dimy no lasibatra teny Antanimena, teny amin’ny lalana hidina ho any Ankorondrano iny. Iaraha-mahalala anefa ny fisian’ny polisy eny an-toerana izay tsy mahavita na inona na inona akory manoloana izany. Mba hialana amin’izany fitohanana izany dia miezaka mikaroka hevitra ny ao amin’ny kaominina mba handaminana ireny fiantsonan’ny taksibe ireny. Anisan’ny fepetra noraisin’izy ireo ny namindra izany ho eo Anosy, eo ampitan’ny fihodinana na « rond point » eo amin’ny Antenimerandoholona ho ao ambadiky ny Cercle Franco-Malagasy (Cfm). Hevitra neritreretina fa hanala ny fitohanana anefa dia vao mainka hampitombo azy indray aza izany. Raha ny nambaran’ny mpamily sasany dia hevitra tsy mety mihitsy io toerana vaovao io satria fanatry ny rehetra ny fisian’ny tsena izay tena mibahana ny arabe. Ny lalana rahateo tsy vitan’ny efa kely fa mbola maro ireo mpangataka an-dalambe. Ny taksibe izay haka sy handatsaka olona eo amin’io seranana io anefa dia tsy iray, tsy roa fa tena aman-jatony. Ny fitohanana eny amin’ny lalam-be noho izany no mety ho afaka fa miverina ihany izany rehefa alohan’ny hidirana ilay « rond point » eo amin’ny zaridainan’i Mahamasina satria hisisika ireo fiara hivoaka iny lalan-kely izay tsy omby na fiara telo iny akory aza. Omaly alahady fotsiny izao dia efa hita fa nisy ny fitohanana teny Anosy, anefa ny andro alahady no tsy ahitana izany fitohanana izany indrindra eto Antananarivo. Mila mailo mandrakariva noho izany ireo mpandeha fa dia hirongatra indray ireo mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







